samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 juin 2021

Kaominina Ambanivohitra : marisarisa ny fahavitrihan’ny mponina manao vaksiny

0
Ambany ny tahan’ny fanaovam-baksiny eny anivon’ny kaominina Ambanivohitra. Latsaky ny 7 % izany ho an’ny kaominina Fiaferana sy Ambohijanaka nanaovana fanadihadiana. Ankoatran’ny tsy fahampian’ny fanentanana, mitoetra ny ahiahin’ny mponina amin’ny mety ho voka-dratsy ateraky ny vaksiny amin’ny fahasalamana.

Ravinala Airports : efa vonona amin’ny fandraisana sidina

0
Efa vonona 100% amin’ny fandraisana sidina ny seranampiaramanidina vaovao Ravinala Airports etsy Ivato. Ny fisokafan’ny lanitr’i Madagasikara raha ny fanazavana no andrasana sisa. Nisy io maraina io ny fampisehoana ny tao anatin’ny seranampiaramanidina niarahana tamin’ny mpanao gazety.

Mpampanofa trano : misedra olana amin’izao fotoana izao

0
Misedra olana tanteraka ny mpampanofa trano amin’izao fotoana izao. Betsaka ny olona no mitsoaka hofan-trano ka voatery izy ireo mameno ny vidin’jiro na dia efa tsy misitraka hofan-trano aza. Antony raha ny fanadihadiana natao,  maro  ireo no very asa noho ny valan’aretina ka tsy misy fidiram-bola intsony. 

Fanadinam-panjakana Baccalauréat : miisa 184.863 ireo mpiadina voasoratra anarana

0
Nahitam-piakarana hatramin’ny 12,45% ny taham-pahavitrihan’ny mpiadina nisoratra anarana ho an’ny fanadinam-panjakana Baccalauréat amin’ity taona 2021 ity araka ny antontan’isa navoaky ny ministera tompon’andraikitra androany. Hetreto mbola tsy niova ny datim-pandinana napetraka.

AVIADEV 2021 : nanomboka androany hatramin’ny 11 Jona

0
Nanomboka androany 9 Jona hatramin’ny 11 Jona izao ny AVIADEV Africa 2021.  Forum hahafahan’i Madagasikara mampitombo ireo kaompaniam-pitaterana miasa eto amintsika entina mampiroborobo ny toekaren’i Madagasikara.