vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 juin 2021

Tetezana Ampasika : tsy azo atao ny mandavaka ambanin’ny tetezana

0
Misy mandavaka  hakan’olona fasika ny faritra ambanin’ny tetezana Ampasika. Ahiana hiteraka fahasimbana amin’ny tetezana anefa io ary hitera-doza ihany koa. Nidina teny an-toerana nijery ny zava-misy manoloana io ny teo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy, ny Apipa, ary ny solontenan’ny kaominina Bemasoandro androany. Ho raisina ny fepetra tsy ahafahana mandavaka ny toerana intsony.

Kianja barea : handray ny faha-61 taona niverenan’ny fahaleovantena

0
Handray ny faha-61 taonan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny kianjan’ny Barea. Izay no nisongadina nandritra ny fitsidihana nataon’ny filohan’ny repoblika teny antoerana androany. Ankilany, 90 % ny asa no vita araka ny nambaran’ny filohan’ny repoblika hatrany ka antony tsy mbola hanokanana ny fotodrafitrasa.

CFM : mila hafainganina ny « digitalisation » manerana ny oniversite

0
Tsy azo ihodivirana amin’ny famahana ny olana sy ny fampandehana-draharana eny anivon’ny oniversite ny fanadiovana ny lisitra ny mpianatra sy ny mpandrandraha amperin’asa. Izay no namafisin’ny CFM na ny Conseil du Fampihavanana Malagasy manoloana ny olana eny anivon’ny oniversite maro toy ny tao Toliara farany teo.

Fikaonandoha lehibe tany Taolagnaro : namerina ny fanantenan’ny mponina any Atsimo

0
Namerina indray ny fanantenana ho an’ny faritra Atsimo ny fanantanterahana ny fikaonandoha lehibe ifotony fanantanterahana ireo asa vina fampandrosoana ny faritra Atsimo ny herinandro lasa teo tany Taolagnaro. Amin’ny ankapobeny, isany naha zava-dehibe ny atrikasa ny tsy fijerena firehana ara-politika raha ny fanazavan’ireo solombavambahoaka.

RN44 : efa miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana

0
Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fampiasana ny lalampirenena faha-44 raha toa ka nisy fahatapahana izany, teo anelanelan'i Ranofotsy sy Ambohimena noho ny fisian’ny rotsak’orana nisesy ny Alahady sy Alatsinainy teo tany en-toerana. Taorian’ny fahatapahana, nandray fepetra  avy hatrany tamin’ny fanamboarana izany ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy.