vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 décembre 2021

Kaominina Ankadinandriana – Avaradrano : miparitaka ny aretin’omby

0
Voan’ny aretim-pivalanana ny 70 hatramin’ny 80% ny omby ao amin’ny Kaominina Ankadinandriana distrikan’Avaradrano tao anatin’ny herinandro, ary 03 no maty. Hatreto tsy fantatra mazava ny niandohan’ny aretina ary efa miparitaka amin’ireo kaominina manodidina ny aretina.

Anosizato andrefana : tsy manana toerana hanariana ny fako ny kaominina

0
Mivangongo ny fako etsy Ampefiloha anatin’ny kaominina Anosizato Andrefana. Raha ny fanadihadiana natao, manomboka tsy voafehy intsony ny momba io ary betsaka ny mivarina ny ranon’Ikopa. Efa nampiato ny fanariam-pako eny an-toerana ny kaominina saingy mampametra-panontaniana  ny fampiharana azy noho ny tsy fananan’ny kaominina toerana voatokana amin’izay fanariam-pako izay hatreto.

VIH SIDA : mitombo hatrany ny olona mitondra ny tsimok’aretina nanomboka ny taona 2019

0
Mbola latsaky ny 1% ny  tahan’ny mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, saingy mampanahy ireo mpisehatra amin’ny ady amin’ny   SIDA ny fitombon’ny olona voatily ka mitondra ny tsimok’aretina tato antin’ny telo taona farany. Raha ny fanazavana, tsikaritra fa miha tanora ireo voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina ankehitriny.

Tetikasa Téléphérique : tsy mbola misy hatreto ny fankan-kevitra ho an’ny rehetra

0
Tsy mbola misy hatreto ny fakan-kevitra ho an’ny mponina na ny cosultation publique mikasika ny tetikasa Téléphérique eto andrenivohitra saingy manomboka androany ny fanadihadiana ara-teknika tanterahin’ny Comité Technique d’Evaluation raha ny nambaran’ny tale jenralin’ny ONE. Ho fantatra amin’ny herinandro  ny fotoana hanatanterahina izany ho an’ny mponina voakasik’ity tetikasa.

Haute Cour de Justice : eo ampiandrasana ny antontan-taratasy avy eny Tsimbazaza

0
Mbola mijanona ho amin’ny fandinihana ny fanatsarana ny asa fampandehanandraharaha ihany hatreto ny asan’ireo mpikambana mandafitra ny HCJ na ny Haute Cours de Justice araka ny fanazavan’ny Procureur Général androany. Atahorana ho tratry ny maty paik’andro ihany koa ny fitoriana sasany vokatry ny fahataran’ny fitsarana raha ny fanazavana hatrany.

CENI : maro ny ezaka andrasana aminy hoy ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena

0
Asa lehibe miandry ireto mpikambana vaovaon’ny CENI ireto ny famerenana indray ny fahatokisan’ny vahoaka ity Rantsana mpikirakira ny fifidianana ity hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena androany. Maro ny fanakianana nahazo ny CENI teo aloha ka ireto mpikambana vaovao ireto no takiana hanarina izany.

CENI : tontosa androany ny fianihanan’ireo mpikambana vaovao

0
Tontosa androany tetsy amin’ny Fitsarana Tampony Anosy, ny fihanihanan’izy 9 mirahalahy mpikambana vaovao mandrafitra ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana CENI. Amperinasa manomboka androany araka izany ireto mpikambana vaovao ireto izay hanarina ny lesoka efa nisy ary hanatsara ny fizotran’ny fifidianana ho avy eo. Hiasa mandritra ny 6 taona tsy azo avaozina ihany koa izy ireo araka ny lalàna.