Archives quotidiennes: 9 mai 2023
Fifidianana 2023 : 143 miliara Ariary ny vola ilaina hoy ny CENI
Tsy mbola nangataka tohana ara-bola tamin’ny vondrona Eoropeana ny fanjakana Malagasy sy CENI hanatanterahana ny fifidianana hoy ny masoivohon’ny vondrona eoropeana androany. Ny fanjakana Malagasy no hiantoka ny hoenti-manana raha ny fanazavana. Mampametra-panontaniana arak’izany ny hoe, ny vola andrasana amin’ny banky iraisam-pirenena ve no hanaovan’ny fanjakana ny fifidianana, lalaon’ny Nosy sy andoavana ny trosan’ireo orinasa tsy miankina fa tsy hisy drafi-pampandrosoana mazava hotanterahana.
Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany : tsy ara-drariny ny fitsinjarana ny tamberim-bidy
Ho ela vao hisy ny fampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana avy amin’ny harena an-kibon’ny tany raha ny fomba fitsinjarana ny tamberim-bidy avy amin’ny fitrandrahana anatin’ny fehezan-dalana hifehezana ny harena an-kibon’ny tany hoy ireo solombavambahoaka. Maro arak’izany ny teboka tsy maintsy hitondran’izy ireo fanitsiana ary iantsoan’izy ireo ny solombavabahoaka maro an’isa hijoro ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.
OPTIMA BUSNESS : mampitaraina ireo orinasa sy mpandraharaha
Misedra olana vokatry ny fidangan’ny vidin’ny herinaratra avokoa ny ankamaroan’ny orinasa amin’izao fotoana. Hikatona tsikelikely ireo orinasa raha tsy misy ny vahaolana hafa handrindrana sy hanamaivanana ity « coups d’énergie » hoy ireo mpandraharaha indrindra amin’izao vanim-potoana avy nandalovan’ny valan’aretina izao.
Lisi-pifidianana – Toliara faharoa : vitsy ny olona tonga manamarina ny anarany
Tsy mitombona ny ambaran’ireo mpisehatra politika ny amin’ny fisiana Fokontany vaovao maherin’ny 1 000 ao amin’ny distrikan’i Toliara faharoa hoy ny teo anivon’ny CENI nandritra ny fidinan’izy ireo tany an-toerana. Ankoatr’izay, olana sedrain’ireo Fokontany maro ao amin’ny distrika ny Toliara faha-02 ny tsy fahampian’ny biraom-pifidianana izay mampalaina ireo olom-pirenana hanao ny adidy.
Famerana ny famoriam-bahoaka : tsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena i Madagasikara
Tsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena izay no soniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1971 mahakasika ny zo sivily sy politika ny fepetra no raisin’ny fanjakana malagasy amin’ny famerana ny hetsika politika na ny famoriam-bahoaka atao anaty toerana mifefy. Io fifanarahana iraisam-pirenena io no ambony nohon’ny didihitsivlana nahafahana nadray ny fepetra izany ef atamin’ny taona 1962 hoy ny masohovoho ny vondrona Eropeanina.