mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 mai 2023

Fameran’ny fiadidianan’ny Repoblika ny vola amin’ny fifidianana : marika fa tsy mahaleotena ny Ceni

0
Nampidinin’ny Fiadidianan’ny repoblika hatramin’ny 50% ny vola hampiasain’ny Ceni hanatanterahana fifidianana eto amin’ny firenena. Voaporofo izao fa tsy mahaleotena ny Ceni hoy ireo mpanao politika fa baikon’ny fahefana mpanatanteraka. Mampiahiahy ihany koa ny fahafahana manatontosa ny fifidianana araka ny tokony ho izy amin’io fihenan’ny vola ampiasain’ny Ceni io.

Carion : tsy eken’ny mponina ny fitrandrahana vato hataon’ny sinoa

0
Tsy eken’ny mponina ny fitrandrahana vato hataon’ny Sinoa ao amin’ny Kaominina Carion sy Alarobia Ambatomanga. Ilay orinasa izay efa nanototra tanimbary sy nanimba tanimbolin’olona maro tsy nisy fierana sy fangatahana alalana akory.  

Fanomanana fifidianana : tsy vonona ny mpitondra Fanjakana

0
Mampanahy ny mety hisian’ny hetsi-bahoaka rahampitso sy afaka ampitso eto amin’ny tany sy ny firenena raha ny fizotry ny fikarakarana Fifidianana hoy ny teo anivon ’ny HVM. Nanamafy izany ny APM na ny Antoko Politika Madio ary nilaza fa tsy ampy fanomanana ny mpitondra Fanjakana raha tsy hilaza hafa-tsy ny vola natokana hikarakarana ny fifidianana.

Développement économique : maro ny sehatra mila arenina eto Madagasikara

0
Sehatra maro antoky ny fampandehanana ny toekarena eto Madagasikara no sahirana amin’izao fotoana hoy ny masohivohon’ny vondrona Eropeana.  Tranga izay mila ny fandaraisana andraikitry ny mpitondra raha tiana hisy ny fampandrosoana ny firenena. Ankilany, efa milamina ny zava-dehibe amin’ny fifanarahana amin’ny lafiny jono eo amin’i Madagascar sy ny vondrona Eropeanina ankehitriny raha ny fanazavana.

Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany: maro ny adisisika ataon’ireo Solombavambahoaka

0
Miditra amin’ny andro faharoa ny fandinihin’ireo Solombavambahoaka ao anatin’ny Vaomieran’ny harena an-kibon’ny tany sy ireo mpisehatra isan-tokony voakasika amin’ny fanavaozana  ilay Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany. Miha-mafana ny ady hevitra mandritra izany ary maro ireo teboka avy amin’ny fanjakana takian’ny solombavambahoaka ny hanitsiana azy.