Accueil 2023 avril

Archives mensuelles: avril 2023

Tongarivo Tanjombato : mitomba ireo mpivarotra sy mpidoroka zava-mahadomelina

0
Mirongatra ao amin’ny kaominin’i Tanjombato ny fidorohana sy ny bizina zava-mahadomelina amin’ny endriny maro amin’izao fotoana. Sarotra ankilany ny fifehezana azy noho ireo tambazotra sy mpisehatra manana olona ao an-damosina miara-miasa akaiky azy ireo. Ny fanentanana arak’izany no ilany hamafisina ka anton’ny fiaraha-miasan’ny kaominina, ny vovokovoko manga sy ny marohafa natao ho an’ireo mpianatra teny anivon’ny Lisea Tongarivo Tanjombato.

Distrikan’Antsohihy : mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana

0
Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny Distrikan’Antsohihy, farirta Sofia. Raha ny fanadihadiana natao tany an-toerana, 3 hatramin’ny 4 isan’andro ny vaky trano eo an-tampon-tanàna, ankoatry ny halatr’omby amin’ireo kaominina manodidina.

Fanamboaran-dalana : ny fotoana hahavitany ela noho ny hampiasana azy

0
Mampiaka-peo ireo mpamily fiara vaventy mpitatitra entana manoloana ny faharatsian’ny lalam-pirenena eto amintsika. Ho an’ny lalam-pirenena faharoa, saika isan’andro no haharenesana fivadihana camion vokatry ny lalana ratsy, ary izay tsy mivadika voaroba entana hoy ny filohan’ny  Association des transporteurs camionneur.

FIKASANA HANAFIKA CASH POINT TETSY AMIN’NY 67 HA : jiolahy 1 maty voatifitra, 1 hafa tafaporitsaka

0
Jiolahy iray nikasa hanafika cash point tetsy amin’ny 67 Ha ny atoandro teo no lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Tafaporitsaka kosa ilay jiolahy iray hafa ka nenjehin’ny mpitandro filaminana.

Fifehezana ny lozan-dranomasina an-tsokosoko : nanome 1 volana hanomanana ny antotan-taratasy ho an’ireo sambo tsy ara-dalàna ny APMF

0
Nanome fe-potoana 1 volana ireo sambo tsy ara-dalàna tany amin’ny ilany avaratry ny Nosy amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy ny teo anivon’ny APMF nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo. Ankoatran’ny fanentanana azy ireo hiditra anatin’ny sehatry ny ara-dalana, tanjona ny ahafahana mitsirika azy ireo hifehezana ny fitaterana an-dranomasina an-tsokosoko izay saika hamoizana ain’olona maro tao ho ato.

TOLO-KEVITRA HANATSARANA NY ZOTRAM-PIFIDIANANA : tsy baiko ka tsy maintsy hatao hoy ny CENI

0
Fanampoizinana ny firenena raha izao vao hirosoana ny fanavaozana ny lalàm-pififianana hoy ny filoha lefitry ny ceni manoloana ireo fangatahana samihafa avy amin’ireo mpisehatra entina hanatsarana ny zotram-pifidianana. Na izany aza, tsy manakana ny tian’ny rehetra hatao ao anatin’izay ny ceni, fa tsy voatery handray sy  hanantanteraka kosa ireo tolo-kevitra avy amin’ireo mpisehatra ihany ko izy ireo.   

Antoko Malagasy miara-miainga : tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika

0
Voatohitohina ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara ary matahotra demokrasia ny mpitondra ankehitriny hoy ny filohan'ny Antoko MMM  nandritra ny fidinany tany Ambositra androany. Ny antoko MMM izay nikasa hihaona tamin'ny vahoaka tao amin'ny Kaominina Imito, Distrikan'i Fandriana omaly saingy nosakanan'ny fanjakana.

Antoko Malagasy miara-miainga : mila hatosika sy omena fahefana ny eny ifotony

0
Tanteraka tamin'ity androany ity ny fihaonan'ny Filoha Nasionalin'ny Antoko MMM, notronin'ireo olom-boafidy, niarahana tamin'ireo vahoaka tao amin'ny faritra Amoron'i Mania, izay notanterahana tao Ambositra. Ilaina fahasahiana ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana hoy ny filohan'ity antoko ity na eo aza ny tsindry sy sakana samihafa raha tiana ny hampandroso ny firenena.

Association des Journalistes de Tamatave : mankalaza ny faha-15 taona nijoroany

0
Natomboka omaly ny fanombohana ny fankalazana ny faha 15 taona nijoroan'ny AJT na ny Association des Journalistes de Tamatave. Nosantarina tamin'ny fambolen-kazo sy fanentanana ny olom-pirenena hisoratra sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisitry ny ho mpifidy ny hetsika ary notohizana tamin'ny fiaraha-mifety.

Anjeva Gare : renim-pianakaviana iray  nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

0
Renim-pianakaviana iray no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana tao Anjeva Gare ary lasan'ireo mpanao ratsy ny vola an-tapitrisany maro sy ny firavaka teny aminy. Manahy mafy ny hisian'ny kolikoly amin'ireo mpanao famotorana sy ireo olona ahiahiana ho nahavanon-doza manoloana izany ny fianakavian’ity niaram-boina ka manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa hijerena akaiky ny raharaha.