Archives quotidiennes: 15 mai 2023

Antoko MMM : hotsarain’ny tantara izay mbola hanohana indray izao fitondrana izao

0
Nafana ny adihevitra teo amin’ny filohana nasionalin’ny antoko Malagasy Miara-Miainga sy ireo vahoaka tao Mahajanga nandritra ny fivoriana niresahana ny fitsinjaram-pahefana tao amin’ny faritra Boeny. Fotoana izay nilazan’ireo mpandray anjara fa tsy mbola mipetraka ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara anton’izao fahantrana mahazo ny firenena izao.

Anjanamasina : toeram-panasinana iray no nanomezana ny anaran’ny fokontany

0
Iray amin’ireo fokontany anatin’ny kaominina Anosiala, anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo fantatra olona maro manerana an’i Madagasikara ANJANAMASINA. Toby fitazaina adala, eny amin’ny 18, lasa singa amantarana ny fokontany na nisy aza ny antony manokana niantsoana ny fokontany ho ANJANAMASINA.

VOHILAVA MANANJARY : nilanja sorabaventy ireo mponina nanohitra ny fitrandrahana

0
Nanao hetsika sy fidinana andalam-be hanoherana ny fitrandrahana volamena ataona orinasa ana-teratany vahiny iray ny mponina tao Vohilava Mananjary omaly. Ankoatran’ny fahapotehan’ny toeram-piveloman’ireo mponina, voakasiky ny fitrandrahana ihany koa ny sekoly ka anton’ny hetsika faobe, na teo aza ny fanakanana nataon’ny mpitandron’ny filaminana.

Fipoahan-javatra : miaramilan’i BANA iray no maty

0
Maty tsy tra-drano i Derick miaramilan’i BANA na Base Aero Navale Antsiranana ny maraina teo tao amin’ny fokontany Morafeno rehefa nanapaka vy tamin’ny alalan’ny signole  électrique.

Lisitra vonjy maika : ambony ny tahan’ny fahadisoana ho an’ny Fokontany ivelan’Antananarivo  

0
Ambony ny tahan’ny fahadisona amin’ny anaran’ireo olom-pirenena  tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana vonjy maika  ho an’ireo Fokontany ivelan’Antananarivo renivohitra raha ny fanadihadihana natao. Fahadisoana  goavana amin’ny anarana sy laharana karapanondro amin’ny akapobeny no tsikaritra amin’izany.

Fampivoarana ny toekarena : mila  ampiakarina ny  vola miditra amin’ny tokantrano tsirairay

0
Tsy mifanaraka amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto anivon’ny firenena ny politika misy eto an-toerana raha nambaran’ny mpahay toekarena RAKOTO David. Zava-dehibe ny fampiakaran’ny ny vola mididtra amin’ny tokatrano tsirairay avy afahana manarina ny arikarena hoy hatrany ny fanazavana