Archives quotidiennes: 9 mai 2023

Fifidianana 2023 : 143 miliara Ariary ny vola ilaina hoy ny CENI

0
Tsy mbola nangataka tohana ara-bola tamin’ny vondrona Eoropeana ny fanjakana Malagasy sy CENI hanatanterahana ny fifidianana hoy ny masoivohon’ny vondrona eoropeana androany. Ny fanjakana Malagasy no hiantoka ny hoenti-manana raha ny fanazavana. Mampametra-panontaniana arak’izany ny hoe, ny vola andrasana amin’ny banky iraisam-pirenena ve no hanaovan’ny fanjakana ny fifidianana, lalaon’ny Nosy sy andoavana ny trosan’ireo orinasa tsy miankina fa tsy hisy drafi-pampandrosoana mazava hotanterahana.

Fehezan-dalàna hifehezana ny harena an-kibon’ny tany : tsy ara-drariny ny fitsinjarana ny tamberim-bidy

0
Ho ela vao hisy ny fampandrosoana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana avy amin’ny harena an-kibon’ny tany raha ny fomba fitsinjarana ny tamberim-bidy avy amin’ny fitrandrahana anatin’ny fehezan-dalana hifehezana ny harena an-kibon’ny tany hoy ireo solombavambahoaka. Maro arak’izany ny teboka tsy maintsy hitondran’izy ireo fanitsiana ary iantsoan’izy ireo ny solombavabahoaka maro an’isa hijoro ho an’ny tombontsoan’ny rehetra.

OPTIMA BUSNESS : mampitaraina ireo orinasa sy mpandraharaha

0
Misedra olana vokatry ny fidangan’ny vidin’ny herinaratra avokoa ny ankamaroan’ny orinasa amin’izao fotoana. Hikatona tsikelikely ireo orinasa raha tsy misy ny vahaolana hafa handrindrana sy hanamaivanana ity « coups d’énergie » hoy ireo mpandraharaha indrindra amin’izao vanim-potoana avy nandalovan’ny valan’aretina izao.   

Lisi-pifidianana – Toliara faharoa : vitsy ny olona tonga manamarina ny anarany

0
Tsy mitombona ny ambaran’ireo mpisehatra politika ny amin’ny fisiana Fokontany vaovao maherin’ny 1 000 ao amin’ny distrikan’i Toliara faharoa  hoy ny teo anivon’ny CENI nandritra ny fidinan’izy ireo tany an-toerana. Ankoatr’izay, olana sedrain’ireo Fokontany maro ao amin’ny  distrika ny Toliara faha-02 ny tsy fahampian’ny biraom-pifidianana izay mampalaina ireo olom-pirenana hanao ny adidy.

Famerana ny famoriam-bahoaka : tsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena i Madagasikara

0
Tsy manaja ny fifanarahana iraisam-pirenena izay no soniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 1971 mahakasika ny zo sivily sy politika ny fepetra no raisin’ny fanjakana malagasy amin’ny famerana ny hetsika politika na ny famoriam-bahoaka atao anaty toerana mifefy.  Io fifanarahana iraisam-pirenena io no ambony nohon’ny didihitsivlana nahafahana nadray ny fepetra izany ef atamin’ny taona 1962 hoy ny masohovoho ny vondrona Eropeanina.