Accueil 2019 juin

Archives mensuelles: juin 2019

Edito du 8 juin 2019

0
Ao anatin’ny fanovana ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana amin’izao fotoana izao ny fitondrana. Isan’izany ny fampihenana ny fandaniana izay heverina fa tsy hitondra vokatsoa ho an’ny be sy ny maro, toy ny nanafoanana ny fiaraha-misakafo any an-dapa mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Rindram-piaraha-monina vaovao andraisan’ny olompirenena tsirairay ny andraikitra mifanandrify azy no tanjon’ny fanovàna.

Famokarana mifamatotra amin’ny tsena : fanoitra ho an’ny asa fihariana.

0
Misedra olana ny seha-pihariana landy amin'izao fotoana. Antony, mihavitsy ny landibe ary tsy maharaka ny filan'ireo mpanao asa tanana. Ilaina ny fiaraha-mientan'ny hahafahana mitahiry sy mampitombo ireo akora fototra hoy ny eo anivon'ny ministeran'ny fiompiana sy ny fambolena ary ny jono.

HCC : fitoriana 41 no voaray hatreto

0
Fitoriana miisa 41 hatreto no voaray eny anivon'ny HCC. Ny faha-28 may lasa teo no nanomboka nandray ireo fitarainana tamin'iny fifidianana Solombavambahoaka iny ny teo anivon'ny HCC.

Fanambadian’ny ankizy lahy tsy ampy taona : laharana faha-3 i Madagasikara

0
Eo amin'ny laharana fahatelo amin'ireo firenena 82 nanaovana fanadihadiana i Madagasikara, mikasika ny ankizy lahy tsy ampy taona miditra amin'ny fanambadiana, araka ny antontan'isa navoakan'ny UNICEF. Anton'ny firoboroboan'izay ny fahantrana . Fanadihadiana.

Lavanila – Vatovavy Fitovinany : tsy voahaja ny fotoam-piotazana

0
Mampitaraina ny mpamboly sy ny mpandraharaha ny halatra lavanila maitso any amin’ny faritra Vatovavy Fitovinany ankehitriny. Tsy voahaja ny fotoam-piotazana ka manahy ny faharatsian’ny vokatra ny mpamboly amin’ity taom-piotazana ity.

Fitsidihina PRM tany Frantsa : fifanarahana 4 lehibe no vita sonia

0
Efa tafaverina an-tanindrazana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara rehefa nivahiny andro vitsivitsy tany Frantsa. Fifanarahana eo amin’ny sehatra ekonomika 4 lehibe no tontosa nandritra izany fitsidihina izany.

i-Toroka : nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany

0
Nampahafantarina tamin'ny fomba ofisialy tamin'ity androany ity ny "i-toroka", izay fomba iray ahafahan'ny olona rehetra mitondra ny trangana kolikoly na fanaparem-pahefana hitany eo anivon'ny Bianco amin'ny alalan'ny aterineto. Tsy misy ahafantaran'izay olona mitoroka ny trangana kolikoly hitany amin'ity i-toroka ity, izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

Fanamboaran-dalana – Rocade Antananarivo : maro no efa nisitraka ny onitra

0
20%n'ny asa fanam-boaran-dalana rocade, amin'izao fotoana izao no vita araka ny tatitra nataon'ny teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany. Mitentina hatramin'ny 20miliara ariary kosa ny tetibola nakona hanomezana onitra ho an'ireo manana fananana voakasika, toa ny tany. Fanadihadiana.

Vovonana NextA : hanome fiofanana ny tanbora amin’ny fandraharahana

0
Notanterahina androany ny fitokanan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny fomba ofisialy ny vovonana NextA iarahana amin’ny Vondrona Axian, teny amin’ny Tana Shore Andranomena. Mifameno amin’ny politikan’ny fanjakana amin’ny alalàn’ny tetikasa Fihariana ity vovonana NextA ity satria ity vovonana ity no hanome fiofanana ny tanora amin’ny fandraharahana. Fanampim-panazavana.

BIANCO : hampahafantatra ny i-TOROKA manomboka rahampitso

0
Hampahafantatra manomboka rahampitso ny fametrahana fitorohana « i-TOROKA » tsy mitonona anarana avy amin’ny alalàn’ny tranokalany ny BIANCO, tafiditra indrindra amin’ny fomba vaovao ho entina mamongotra tanteraka ny kolikoly ity fomba fitorohana « i-TOLOTRA » ity.