samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 11 septembre 2019

BIANCO – Transparency International : hifanome tanana amin’ny ady amin’ny kolikoly

0
Hifanome tanana ny BIANCO sy ny fiarahamonimpirenena Transparency International Initiative Madagascar amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Fiarahamiasa izay iseho amin’ny alalan’ny fampianarana ny olompirenena na ny éducation citoyenne.

Olompirenena : mila hamafisina ny fampahafantarana ny zony

0
Ny tsy fahafantaran'ny olompirenena ny zony sy ny tokony hatao eo amin'ny sehatry ny fifidianana no isan'ny antony iray mahatonga ireo valim-pitsarana ho "azo raisina fa tsy mitombona" hoy ny eo anivon'ny minisiteran'ny fitsarana sy ny FES androany. Hanarenana izany, hisy ny hetsika lehibe hotanterahin'ny roa tonta.

Papa Fransoa : nanainga ho any Roma androany maraina

0
Androany tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no nitodi-doha ho any Roma ny Papa Ray Masina sy ireo delegasiona niaraka taminy taorian’ny fitsidihana apostolika nataony teto Madagasikara.

Famoahana tsiambaratelom-panadihadiana : vehivavy 2 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Vehivavy manan-kaja miisa 2, ny iray vadina mpanao politika fanta-daza, ny iray manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy nasionaly, no nampidirina am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo noho ny famoahana tsiambaratelom-panadihadiana teny anivon’ny SAMIFIN, rehefa avy nandalo fampanoavana tetsy amin’ny PAC 67 ha.