dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 septembre 2019

Fahatongavan’i Papa Ray Masina : efa milamina ny fitaterana ireo mpino

0
Ny 80% momban’ny fitaterana ireo mpizaika avy amin’ny diosezy 22 no efa milamina . Fiara 3 215 no hitatitra azy ireo. Izay raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny ATT androany. Misy kosa ny toromarika sy fandaminana vitsivitsy ho an’ireo mpizaika hampirindra ny fifamoivoizana.

CFM : miroso amin’ny « réparation de carrière »

0
Nanomboka androany ny Assemblée générale eo anivon'ny CFM na ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy izay tokony hatao isaky ny 3 volana araka ny voalazan'ny lalàna velona eto amintsika. Isan'ny hatao laharam-pahamehana amin'ny lahadinika ny "Réparation de carrière", hoy ny filohan'ity filankevitry ny fampihavanana Malagasy ity.

Fanaovana hosoka teny amin’ny ladoany : olona 4 naiditra am-ponja vonjimaika

0
Tomponandraikitra ambony tao amin’ny ladoany teo aloha miisa 4 no nahiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny Sabotsy alina lasa teo, rehefa avy nandalo fampanoavana tetsy amin’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption 67 ha. Fanampim-panazavana.

Famatsian-drano – Antananarivo sy ny manodidina : nanomboka androany ny fametrahana siniben-drano

0
Nanomboka androany ny fametrahana ireo siniben-drano mahazaka rano hatramin’ny 1 alina litatra amin’ireo fokontany 46 eto Antananarivo sy ny manodidina. Raha vahaolana vonjimaika ihany izany, hanomboka rahampitso ihany koa ny fanaovana ny « ETUDE GEOPHYSIQUE » mialohan’ny hanaovana ny « forage ».