dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 septembre 2019

Fanadiovana lakandrano : tsy manao ny asany ny CUA

0
Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadiovana ny lakandrano C3 etsy Ambodin’Isotry. Raha mivangongo ny fako ary manentsina ny lakandrano, tsy hita taratra ny fandraisan’andraikitra ny kaominina hatrizay, hoy ireo mponina. Ankoatran’ny asa nataon’ny SOGEA farany teo, tsipaipaika ny mponina miampy ny RF2 arak’izany no niantoka ny fanadiovana.

Fifidianana Kaominaly : mitovy avokoa ny rehetra manoloana ny lalàna

0
Mitovy avokoa ny kandidà rehetra manoloana ny lalàna velona eto amintsika fa tsy misy na dia iray aza ambonin’ny lalàna, hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana. Tokony hialana amin’izay ny fametrahana ahiahy tsy mitombona.

CENI : tontosa avokoa ny an-tsapakan’ny laharana anaty biletà tokana

0
Tontosa androany avokoa ny fisarihana ny laharana entin'ireo kandidà mpifaninana amin'ny fifidianana kaominaly ao anaty bileta tokana manerana an'i Madagasikara. Fisarihana roa samihafa no notanterahina amin'ny maha fifidianana roa samihafa ny 27 novambra izao, fepetra roa samihafa ihany koa no hanatanterahana ny fifidianana raha ny fanazavan'ny filoha lefitry ny CENI.

Banky iraisam-pirenena : teboka 4 no tokony hanarenana ny orinasa Jirama

0
Teboka 4 goavana no naroson’ny Banky iraisam-pirenena tokony hanarenana ny orinasa Jirama sy hanatrarana ny « EQUILIBRE OPERATIONNEL » hatramin’ny taona 2030. Isany nisongadina ny famerenana midinika ny fifanarahan’ny orinasa sy ny mpandraharaha misehatra amin’ny famokarana herinatra izay ahazoan’ny hatramin’ny 193 Lavitrisa Ariary isantaona.