dimanche 28 avril 2024
Accueil 2019 octobre

Archives mensuelles: octobre 2019

Atrikasa « Akory e! » : tanterahina etsy amin’ny tranombokim-pirenena

0
Isany hetsika hanabe voho ireo fiteny malagasy marolafy ny hetsika Akory e! tanterahina etsy amin'ny tranombokim-pirenena Anosy nanomboka androany. Atrikasa izay iarahana amin'ireo avy amin'ny faritra maro eto Madagasikara, hisy ny fehin-kevitra havoka aorian'izao atrikasa izao.

BNGRC : vonona hiatrika loza voajanahary

0
Efa vonona ny hiatrika ny mety ho fihavian’ny loza voajanahary eto Madagasikara ny BNGRC amin’izao fotoana. Ankoatran’ny fahamailona sy ny fahaizamanao ilaina amin’izany, fitaovana maherin’ny 4 lavitrisa Ariary no natolotry ny BAD na ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana tamin’ity androany ity.

Sekoly tsy miankina : ho entitra ny fanaraha-maso

0
Ho hamafisina ny fanaraha-maso ireo sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana manomboka izao sy ho fanatsarana ny tontolon'ny fanabeazana eto amintsika. Hisy ihany ny fanaraha-maso entitra ho an'ireo mpampianatra eny anivon'ny sekoly tsy miankina.

Fitakiana ny « Iles Eparses » : hisy fihaonambem-pirenena ny volana desambra izao

0
Tsy ihemotra amin’ny fitakiana ny Iles Eparses araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny taona 1979 ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Ankoatran’ny fananganana ny Vaomiera iombonana momba ny Iles Eparses alohan’ny faha-18 novambra ho avy izao, hisy ihany koa ny fihaonambem-pirenena ho tontosaina ny volana desambra ho avy izao hakana ny hevitry ny Malagasy, hoy ny praiminisitra androany.

Fifidianana Ben’ny Tanàna : mizotra araka ny tokony ho izy ny fanotana ny bileta tokana

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanotana ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy ny mpanolotsaina ny faha-27 novambra ho avy izao. Faritra 14 eto Madagasikara hatreto no efa mamaran’izany araka ny tatitra azo teo anivon’ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana androany.

Fandoavan-ketra eto Madagasikara : hisy fanavaozana

0
Mitotaly manodidina ny 300miliara ariary ny hetran’ny orinasa mbola tsy voaloa eto Madagasikara. Hisy ny fanavaozana ho raisina hanatsarana ny fandoavan-ketra manerana ny Nosy. Mandray anjara ao anatin'ny seminera atrehin'ireo mpanara-maso ny hetra avy amin'ireo firenena mivondrona ao anatin'ny CREDAF isika eto Madagasikara. Tombony maro no ho azo aorian'izay.

Famatsiana solika : misy ny fepetra noraisina

0
Taorian’ny fivorian’ireo mpiantsehatra rehetra mikasika ny famatsiana solika eto amintsika, fepetra maromaro no noraisin’ny fitondram-panjakana. Ankoatry ny fanatsarana, nisy ihany koa ny sazy nomena ireo tsy nahatanteraka ny asany raha ny fanazavan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo androany.

OTIV Boeny : novidian’ny Paositra Malagasy

0
Taorian’ny olana fanodikodinam-bola teo anivon’ny OTIV Boeny , mpikambana 33 000 no nahiana ho very petra-bola. Entina manarina izany, novidian’ny Paositra Malagasy ny OTIV Boeny . Afaka apindram-bola amin’ny taha ambany indrindra arak’izany ny paositra malagasy. Tontosa androany ny fifaonaovan-tsoniam-pifanaraha teo amin’ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny kajy mirindra, ny OTIV Boeny sy ny paositra malagasy.

Groupe Sofitrans : tsy manaiky hiala eny amin’ny seranam-piaramanidina

0
Tsy mbola nahita marimaritra iraisana ny Groupe Sofitrans sy ny Ravinala Airports manoloana ny fikasan’ny eo anivon’ny Ravinala Airports anilika ny Sofitrans. Tsy tokony ny orinasa vahiny no omena vahana hoy ireto farany, ary namafisin’izy ireo fa manaraka ny fenitra takiana ity orinasa ity.

Amborovy Mahajanga : mitohy ny fanamboarana ny « Logement sociaux »

0
Mitohy hatrany ny fanorenana ny "Logement Sociaux" ao Amborovy Mahajanga amin'izao fotoana. Eo ampanatanterahana ny drafi-panajariana ho an'ny andiany faharoa ny tomponandraikitra amin'izao fotoana ary hatomboka tsy ho ela izany.