samedi 27 avril 2024
Accueil 2019 septembre

Archives mensuelles: septembre 2019

Ambohijatovo Ambony : mitohy ny fanamboarana ilay trano miorina ambony « Tunnel »

0
Miverina ny fanamboarana ilay trano voalaza ho miorina ambony Tunnel narodana sy nampiaton’ny kaominina Antananarivo ny taona 2017. Raha milaza ny manana ny taratasy fahazon-dalana avy amin’ny kaominina ny tompon-trano ankehitriny, tsy nahazoana valin-teny mazava momba izany ny kaominina Antananarivo.

Fanatsarana ny sehatry ny fananan-tany : nametrahana rindran-damina matipaika

0
Miroso ny fametrahana ny paikady hanatsarana ny sehatry ny fananan-tany eto Madagasikara. Voakasika anatin’izany ny fandrindrana ny fiarahamiasan’ny minisitera tomponandraikitra, indrindra ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy arateknika.

Governoram-paritra : tsy maintsy mahavita foto-drafitrasa ao anatin’ny 90 andro

0
Hampandraisana anjara mivantana amin'ny fampandrosoana ireo governora, araky ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika Malagasy androany, teto Fianarantsoa. Tetikasam-pampandrosoana maro no hotanterahana. Nomena tetibola 1 miliara ariary izy ireo hanatontosana izany anatin'ny 90 andro.

Fianarantsoa : fotodrafitrasa maro no natomboka

0
Napetraky ny Filohan'ny Repoblika androany ny vato fotofra, mariky ny fanombohan'ny asa fananganana Fonja vaovao eto Fianarantsoa. Nambarany nandritra izany fa hisy ny famotsoran-keloka ankoatr'ireo nanao heloka be vava sy nangala-bolam-panjakana. Etsy ankilany, napetraka androany ihany koa ny vato fehizoro, hisantarana ny fanamboarana ny Epp manarapenitra eto Fianarantsoa. Ankoatr'ireo nanolotra fitaovana maro ho an'ny vahoaka eto an-toerana ihany koa ny tenany tamin'ity androa ity.

Governemanta misokatra ho an’ny vahoaka : hanatsarana ny fitantanan-draharaham-panjakana

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisaly androany tetsy amin’ny tokontanin’ny tranombokim-pirenena Anosy ny « Governemanta misokatra ho an’ny vahoaka ». Hetsika noentina hampahafatarina ny olompirenena ny asa sy andraikitry ny sampandraharam-panjakana isan-tokony sy hanatsarana ny fitantanan-draharaha amin’ny ankapobeny.

Orinasa Jirama : ho tratra ny fanarenana ato anatin’ny 2 taona

0
Maro ireo fepetra noraisina sy horaisina amin'ny fanarenana ny orinasam-panjakana Jirama hoy ny minisitra tomponandraikitra. Fanamby napetraky ny PCA an'ity orinasa ity sy ny mpiaramiasa aminy ny fanarenana ny orinasa mialohan'ny fiafaran'ny taona 2021.

Fanendrena ny governoran’ny Faritra : tsy mivoana amin’ny Lalàmpanorenana

0
Tsy mifanipaka amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenena ny fanendrena ny governoran’ny faritra tapaka nandritra ny filankevitry ny ministry omaly. Ny governora izay natao hisahana ny andraikitry ny lehiben’ny faritra, ao anatin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy araka ny voalazan’ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, raha ny fanazavana.

Antsirabe Antsinanantsena : trano hazo miisa 13 nirehitra

0
Nitrangana hain-trano mahatsiravana indray tao amin’ny Fokontany Antsinanantsena Antsirabe omaly Alarobia alina tokony ho tamin’ny 10 ora. Trano hazo miisa 13 no kilan’ny afo tanteraka. Nahatratra 78 ireo tra-boina vokatr’ity hain-trano ity. Fanampim-panazavana KOLO TV Antsirabe.

Baccalauréat 2019 : efa tomombana avokoa ny fikarakarana

0
Andro vitsy mialohan'ny higadonan'ny fanadinam-panjakana baccalaureat, tomombana ny fikarakarana rehetra hoy ny eo anivon'ny direction des examens nationaux Antananarivo androany teny Ankatso. Maro ireo fepetra noraisina tamin'ity taona ity hanatsarana ny fomba fiasa.

CENI : nanao tatitra mahakasika ny fifidianana kaominaly

0
Tontosa androany ny tatitra nataon'ny CENI mahakasika ireo antontanisan' ny filatsahan-kofidiana ho ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna mandritra ny fifidianana 27 novambra izao. Miroso amin'ny fifidianana toy ny kaominina rehetra ihany koa ankilany ireo kaominina tsy misy kandidà afa-tsy kandidà tokana raha ny fanazavan'i CENI.