Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Tany mandala ny demokrasia : faha-16 aty Afrika i Madagasikara

0
Eo amin'ny laharana faha 16 amin'ireo firenena 50 mandala ny demokrasia aty Afrika i Madagasikara. Ilaina ny fametrahana ny demokrasia tanteraka indrindra fa eo amin'ny lafin'ny fifidianana. Ny fanabeazana ny olompirenena hahalala ny tena demokrasia no hahafantsika miakatra ambonimbony kokoa amin'io laharana io, raha ny fanazavan’ny mpahay fifandraisana iraisam-pirenena iray nanaovana fanadihadiana.  

Filoha RAJOELINA Andry : tonga dia asa amin’izay

0
Vita iny ny fifidianana. Lany hitondra ny firenena Malagasy mandritra ny 5 taona manaraka i RAJOELINA Andry taorian’ny nandanian’ny mpifidy Malagasy azy tamin’ny 55,66%n’ireo vato nanankery. Ny asa amin’izay no hirosoana ho amin’ny fanatontosana ireo vina sy velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka Malagasy. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

Discours ANR

0
Vonona ny hametraka endrika sy fomba fijery vaovao mahakasika ny fanaovana politika eto Madagasikara ny filohampirenena Andry RAJOELINA nandritra ny fandraisam-pitenenana voalohany nataony omaly. Namafisiny hatrany fa hipetraka ho filohan’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka ny tenany ary ny hitondra ny tena fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Nametraka ny fisaorana ho an’ireo rafi-panjakana nikarakarana ny fifidianana sy ny vahoaka Malagasy tsy vaky vlo ihany koa ny filohampirenena Andry Nirina RAJOELINA.

Fiakaran’ny rano: mbola tsy misy ny traboina

0
Miaina ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra isika izao. Maro ny loza mety hateraky ny rotsak’orana anisan’izany ny fihotsahan’ny tany eny amin’ny faritra avo indrindra ny fiakaran’ny rano eny amin’ireo faritra iva. Efa miomana sy mivonona ny amin’ny loza mety hitranga ny tompon’andraikitra mahakasika izany.

Fandresen’I Andry Rajoelina : miandrandra fampandrosoana ny rehetra

0
Feo iray, ny fanekena ny voka-pifidianana sy ny fampandrosoana ny firenena no andrasan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny taorian’ny didim-pitsarana navoakan’ny HCC omaly. Ho an’ny eo anivon’ny CENI kosa, ny fanatsarana hatrany ny fikarakarana ny fifidianana manaraka no tokony ho atao laharampahamehana.

Fanirisoa Erinaivo : tsy namaly ny fiantsoana azy

0
Tsy tonga namaly ny convoncation avy amin'ny enquête mixte ny kandidà Fanirisoa Ernaivo tamin'ity androany ity. Tonga teny an-toerana ary nanaovana fanadihadiana ny minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason, Mbola Rajaonah ary Fidèle Razara Pierre. Raha ny fanadihadiana natao, tohin'ny fitoriana napetraky ny fiadidian'ny primatiora no antony nampanantsoina azy ireo.

Reaction Hcc

0
Samy naneho ny heviny manoloana ny voka-pifidianana ofisialy navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ireo nanatrika izany teny amin’ny HCC io hariva io. Mitodika tanteraka amin’ny hoavin’I Madagasikara ary miandrandra fanmpandrosoana amin’ny ankapobeany ny rehetra. Fanadihadiana.

CENI : nanamafy ny fangaraharana tamin’ny fifidianana filohampirenena

0
Nanamafy ny teo anivon'ny CENI nandritra ny valandresaka hoan'ny mpanao gazety androany fa nangarahara ny fifidianana filohampirenena. Nambaran’izy ireo fa fandotona ankitsirano ny fanelezana tsaho mahakasika ny hala-bato sy ny mety ho fisian'ny hosoka.

Voka-pifidianana havoakan’ny HCC : tsy hitanila, ary tsy handairana tsindry

0
Tsy hitanila ary tsy handairana tsindry ny fitsarana avo momban’ny lalampanorenena eo am-pikirakirana ireo voka-pifidianana. Vokatra izay mandalo fampitahana maro mialohan’ny hamoahana izany amin’ny fomba ofisialy raha ny fanambarana navoakan’izy ireo tamin’ity androany ity.

Hetsika teny Analakely : tsy nahasarika olona

0
Olom-bitsy no namaly ny antson'ireo mpitarika ny fihetsiketsehana avy amin'ny kandidà Ravalomanana Marc teny analakely tamin'ity androany ity. Afaka nanohy ny fianana andavanandrony ny rehetra. Fanadihadiana