Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina kitrotro : nanomboka androany

0
Distrika miisa 25 eto Madagasikara no misitraka ny vaksiny entina miady amin'ny aretina kitrotro nanomboka androany faha 14 Janoary ka hatramin'ny faha 18 Janoary ho avy izao. Ho an'ny teto an-drenivohitra manokana, mbola olana ny fisian'ireo Ray aman-dReny mandà ny hanaovana vaksiny ny

Fotoan-gasy : nentina namaritana ny tsy fahamarinam-potoana teo amin’ny Ntaolo

0
Efa tsy fampiasa amin’izao vanim-potoana izao intsony ny voambolana hoe fotoan-gasy. Tsy hita any anatin’ireo haisoratra Malagasy ihany koa raha ny fanazavana. Raha ny tantara, ny fomban’ny Ntaolo Malagasy no nipoiran’io voambolana io.

Lavanila vavateninaSeha-pihariana lavanila – Vavatenina : lasibatry ny halatra, ny fanafihana mitam-piadina sy ny kolikoly

0
Lasibatry ny halatra sy ny fanafihana mitam-piadiana ny mpamboly sy mpandraharaha lavanila ao amin’ny distrikan’i VAVATENINA. Tsy nisy fandraisan’andraikitra mivantana nataon’ny fitondrana nifandimby. Miandrandra vahaolana azo tsapain-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana vaovao ny tantsaha hoy ny solombavambahoaka.

Vakoka malagasy : Tsy ampy fikarakarana sy fanaraha-maso

0
Maro ireo toerana mirakitra tantara sy manana ny hasiny eo amin’ny maha malagasy. Anisan’izany ny “Trano vato fitsarana taloha” eo Avaradrova sy ny Fasan-dRainiharo Isotry izay manana ny tantarany manokana. Tsy nisy ny fanamboarana sy ny fanatsarana nandritran’ny telo taona nifanesy.

Ambanja : lavanila milanja 26 kilao no tratran’ny fokonolona

0
Mirongatra ny halatra lavanila any amin'ny distrikan'i Ambanja. Lavanila milanja 26 kilao no tra-tehaky ny fokonolona tamin'ny mpangalatra iray tany an-toerana ny alin'ny Zoma teo.

Fitondrana Rajoelina Andry : hametraka Governora isam-paritra mahefa

0
Mari-pahatokisan’ny vahoaka Malagasy ny vina sy velirano natolotry ny filoha Rajoelina Andry azy ny dikan’ny voka-pifidianana filohampirenena fihodinana faharoa farany iny. Midika fanatenana izany fahatokisan’ny vahoaka izany hoy ny mpanara-baovao. Fanontaniana apetraky ny maro ny hoe : Fomba ahoana no hanatanterahan’izany fanantenan-dehibe apetraky ny vahoaka Malagasy amin’ny filohampirenena RAJOELINA Andry izany ?

Raharaha Mbola RAJAONAH : manohy ny fahanginany ny BIANCO

0
Manohy hatrany ny fahanginany ny eo anivon'ny BIANCO manoloana ny raharaha Mbola RAJONAH. Mampametra-panontaniana ny maro manoloana izany ny fomba fiasa sy ny fihetsiky ny Birao Mahaleo tena momba ny ady amin'ny Kolikoly na ny Bianco.

Fiakaran’ny rano eny amin’ny faritra iva : ahiana hampiparitaka valan’aretina

0
Ahiana ny hiparitahan'ny valan'aretina eny amin'ny faritra iva amin'izao fotoana taorian'ny rotsak'orana nisesy teto Antananarivo. Mbola hitohy ny fiavian'ny orana ato anatin'ny 3 andro, hoy ny vinavinan'ny sampana mpamatatra ny toetry ny andro.

Zotra D – Ivato : tsy handefitra amin’ny fihodinana an-dalana ny ATT

0
Mampitaraina ny mponin’Ivato ny tsy fanajana ny bokin’andraikitra sy ny fihodinana an-dalana ataon’ny Zotra D. Isany miray tendro amin’ny mpitaitra amin’izay kolikoly izay ny mpitandro ny filaminana raha ny fitarainana. Iharan’ny lalàna ary mahavoasazy izan,y hoy ny tale jeneralin’ny ATT androany.

Fandresen’ny Filohampirenena Andry Rajoelina : niarahaba azy ny Mpanjaka Mohammed VI

0
Mitohy ny fiarahabana sy fankasitrahana ataon’ireo ankolafikery samihafa, tamin’ny fanantontosana am-pilaminana ny fifidianana Filohampirenena teo iny sy ny fandresen’ny Filoha Andry Rajoelina . Isan’ny niarahaba ny fandreseny ny Mpanjakan’i Maroc Mohammed VI sy ny COI na ny Commission de l’océan Indien.