samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 janvier 2020

Kaominina Mananasy – Soavinandriana : ambany ny vidim-bokatra vokatry ny faharatsian’ny lalana

0
Mikaikaika ireo tantsaha ao amin’ny kaominina Mananasy, distrikan’I Soavinandriana amin’ny fahamoran’ny vidim-bokatra andraisan’ireo mpamongady. Vokatry ny faharatsian’ny lalana no voalaza fa anton’izany. Manaitra ny tomponandraikitra isan’ambaratongany ny fiadidian’ny tanàna any an-toerana.

Fahatapahan-jiro : an-dalana ny fanoloana ny pylône nianjera eny Behintsy

0
Araka ny efa notanterina teto amin’ny fampahalalam-baovao omaly, nidina ifotony ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jirama nijery ireo fitaovana samba vokatry ny ora-mikija. Isan’ny hosolonoina amin’izany ny pylône ao Behintsy izay niteraka fahatapahan-jiro tamin’ny faritra maro.

Taona 2020 : tsy tokony ho hadino ny fanomezan-danja ny TENY Malagasy

0
Ankoatry ny fikasana hanatanteraka ireo vina sy fikasana ho an’ny tsirairay avy amin’ity taona 2020 ity, tsy tokony ho hadino na hatao ambanin-javatra ihany koa ny fanomezan-danja ny teny sy ny kolontsaina Malagasy. Manan-danja amin’izany ny fifanajana sy ny fahalalam-pomba raha ny fanadihadiana natao.

« TOA » : tsy misy hifandraisany amin’i « Carlos Ghosn»

0
Manoloana ny feo mandeha etsy sy eroa amin’ny raharaha Carlos Ghosn, namoaka fanambarana ny TOA na ny Trans Ocean Airways, omaly faha 04 ny volana janoary, fa tsy misy hifandraisany aminy. Ny TOA izay voaresaka ao amin’ny fitsoahan’i Carlos Ghosn.