dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 janvier 2020

Antananarivo : niroso tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana

0
Niroso tamin’ny fanesorana ireo mpivarotra eny amoron-dalana ny eto Antananarivo renivohitra. Androany, ny teny Anosy mihazo an’Andrefan’Ambohijanahary no natao. Tsy nijanona teo amin’ny fanesorana, nisy ihany koa ny fampianarana sy ny fitaizana ny mpandeha an-tongotra sy ireo mpitondra fiara.

Filohan’ny Antenimierandoholona : tokony harahina ny didy navoaky ny HCC

0
Tokony harahina ny didy navoaky ny HCC hoy ny filohan’ny Antenimerandoholona raha nitodika fanindroany teny Ambohidahy nanontany momba ilay fanapahan-kevitra navoaka izay nanome fahefana hanao lalàna ny filohan’ny repoblika. Fangatahana izay tsy mitombina hoy ny mpahay lalàna nanaovana fanadihadiana.

RN7 – Anosy hatreny Mandrimena : notanterahana androany ny « réception provisoire »

0
Notanterahana androany ny « réception provisoire » ny lalam-pirenena faha-7 miainga eo Anosy mipaka eny Andranomena. Voahaja ny fenitra sy ny kalitao hoy ireo tomponandraiki-panjakana nanatanteraka izany tamin’ity androany ity.

MMM Faratsiho : manaiky ny hamerenana ny fifidianana raha miseho ny marina

0
Afaka tanterahina ny famerenana ny fifidianana kaominaly any Faratsiho raha mivoaka ny marina hoy ireo solontenan’ny kandida natolotry ny antoko MMM any an-toerana. Mifanohitra amin’ny voasoratra ao anatin’ny “PV” ny fitoriana izay napetrakin’ny kandida laharana faharoa tany an-toerana, hoy izy ireo.

Filoham-pirenena : maro ny asa hatrehina amin’ity taona 2020 ity

0
Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny maraina teo ny fiarabahana tratry ny taona ho an’ny Filoham-pirenena nataon’ireo governora 11 narahan'ny mpikambana teo anivon'ny CENI ary ireo mpikambana teo anivon’ny Akademia Malagasy. Firariantsoa maro sosona no natolotr'izy ireo ny filoham-pirenena amin'ny adidy maro samihafa iandreketany.