dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 janvier 2020

Bas Mangoky : tsy amidy ny tany, tsy haondrana any ivelany ny vokatra

0
Mbola tsy voafaritra mazava ny fifanarahana amin’ny orinasa vahiny miara-miasa amin’i Madagasikara amin’ny tetikasa fanitarana ny toeram-pambolena any Bas Mangoky hoy ny eo anivon’ny ministera tomponandraikitra. Na izany aza, nanamafy ny fiolhan’ny repoblikan’i Madagasikara fa isika no niantso azy ireo ary tsy amidy ny tany, tsy haondrana any ivelany ny vokatra.

Jirama : Ivon-toerana mpamokatra herinaratra 45 havadika hybride

0
Ivon-toerana mpamokatra herinaratra 45 no tsy maintsy havadika hybride : sady mihodina amin’ny solika no amin’ny herin’ny masoandro amin’ity taona 2020 ity. Hatao izany, ho famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro, mampitaraina ny mpanjifa.

Fanasana sary : manodidina ny 30 isan’andro no tonga amin’ny ivon-toerana iray

0
Manoloana ny fivoarana misy eo amin’ny finday sy ny manodidina azy, mbola maro ireo olona tonga maka sy manasa sary eny amin’ny toerana voatokana ho amin’izany. Ny fahatokisana ny fahaizan’ ireny mpikirakira sary ireny no antony izany.

Kaominina Ankerana Avaratra : vita ny fanavaozana ny tetezana

0
Nohavaozina tanteraka ny tetezana ao amin’ny kaominina Ankerana Avaratra, Faritra Bongolava, Distrika Tsiroanomandidy. Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny tambazotran'ny làlana sy fifamoivoizana manerana ny Nosy izao fanamboarana tontonsain’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, amin’ny alalan’ny Fitantanam-paritra ao Bongolava sy ny Kaominina any an-toerana izao. Fanadihadiana.

Mampianatra Antanimora : notolorana « contrat de travail »

0
Nozaraina tamin’ny fomba ofisialy androany ny « Contrat de travail » ho an’ireo mpampianatra ireo ankizy tsy ampy taona eny Antanimora. Fandraisana ho mpiasam-panjakana izay tafiditra ao anatin’ny fampanantenana nomen’ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara.