dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 janvier 2020

Hopitaly Befelatanana : manomboka ny asa fanavaozana

0
Manomboka ny fanavaozana ny Hopitaly Befelatanana amin’izao fotoana izao araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra farany teo. Nanombohana izany ny trano mavo izay efa narodana ary hosoloina trano vaovao antsoina hoe “pavillon 44”.

Ben’ny tanàna vaovao : afaka mandray ny asany avy hatrany

0
Afaka mandray ny asany avy hatrany ireo Ben'ny Tanàna izay voafidy taorian'ny famoahan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana ny voka-pifidianana ofisialy raha ny nambaran'ny mpahay lalàna. Ny famindram-pahefana ara- pitantanana no hirosoana voalohany. Aorian'izay kosa, afaka ny miroso amin’ny fivoriambe voalohany miaraka amin'ny filan-kevitra monisipaly ny ben'ny tanàna.

Faratsiho : tsy ekena ny kolikoly sy ny fampiasana vola

0
Tsy ekena ny kolikoly sy ny fampiasana vola hoy ireo mponina ao Faratsiho manoloana ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamina birao fandatsaham-bato izay nandresen’ny kandida RAMILISON Nomenjanahary. Sarobidy ny safidim-bahoaka ka tsy tokony hahodina ho zavatra hafa.

Fifidianana kaominaly : miisa 24 ireo fifidianana tsy maintsy averina

0
Kaominina 24 no haverina tanteraka ny fifidianana kaominaly araka ny didim-pitsarana navokan'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakana. Miisa 8 kosa ireo kaominina hanatanteraka ny fifidianana mpanolotsaina noho ny tsy fisian'ny kandidà mpifaninana nandritra ny fifidianana ny 27 Novambra lasa teo. Tsy misy fiovany ankilany ny fikarakarana ny fifidianana raha ny nambarany CENI.

Lalàna VBG : nankatoavin’ny HCC

0
Nankatoavin’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana ny lalàna momban’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lehilahy na ny maha vehivavy androany 13 Janoary. Lalàna izay mifototra amin’ny fampitsaharana ny herisetra amin’ny ankapobeny ary tsy misy idiran’ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana.

« Tribunal terrier » : hanafaingana ireo ady tany izay mihisatra eny amin’ny fitsarana

0
Hanafaingana ny fijerena ireo ady tany izay mihisatra eny anivon’ny fitsarana ankehitriny no tanjona lehibe hananganana ny « Tribunal terrier » na ny fitsarana momba ny fananan-tany. Hapetraka ihany koa ny « numérisation des titres fonciers » hanatsara ny fitantanana ny fananan-tany.