dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 28 janvier 2020

Alaotra : havotana ny volay vary, hisy vedette rapide hamonjena ny olona, hisokatra ny RN 44

0
Hisokatra rahampitso ny fifamoivoizana ao amin’ny RN 44 ary ny Alakamisy ho avy izao ny RN3A, havotana ny voly vary simban'ny rano ary hisy vedette rapide hamonjena ny olona mbola tavela any anaty rano. Ireo no tapaka taorian’ny fandalovan’ny Praiminisitra lehiben’ny govenremanta sy ireo minisitra 3 nanotrona azy nandritra ny fidinana ifotony notanterahina tany Alaotra.

Fahazoan-dalàna mamily biometrika tsy ara-dalàna : nanomboka androany ny fanoloana azy

0
Nanomboka androany ny fanoloana ny fahazoan-dalàna mamily biometrika hosoka na ny permis biométrique nivoaka nanomboka ny taona 2015. Ny miafara amin’ny « 0 » no hanombohana azy araka ny fandaminana sy ny tetiandro napetraka araka ny naoty nivoaka ny 21 janoary. Isany angatahana  amin’izany ny « Lettre d’engagement » ho fisorohana ny hosoka

Fiaraha-miasan’ny JIRAMA sy ny MAHTP : hisy fanoloana fantsona hatramin’ny 90km

0
Ho soloina ireo fantsona simba eto Antananarivo, araky ny tetikasan’ny Jirama. Hisy ny fiaraha-miasa matotra hiarahana amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy sy ny Jirama amin’ny fanatanterahana ny asa. Haverin’ny Jirama amin’ny laoniny avokoa ireo lavaka amin’ny lalana voakasika, ary hanaraka teknolojia vaovao ny fanatanterahana ny asa. Fanadihadiana.

Antananarivo renivohitra : nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana hanitsiana ny tetibola

0
Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra handinihana manokana ny tetibolana fanitsiana hampiasaina mandritra ny taona 2020.  Hezahina homanina amin’ity taona ity ihany koa ny tetibola ho an’ny taona manaraka hoy ny ben’ny tanàna izay nanamafy hatrany ny fahavononany hitondra fampivoarana. 

Madagasikara : mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika

0
Efa miseho eto Madagasikara avokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny ataon’ny olombelona. Mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika raha ny fanazavana. Ankoatry ny fambolen-kazo izay vahaolana lavitr’ezaka, misy ihany koa ireo fihetsika madinika ahafahana mampihena ny fiantraikan’izany