Accueil 2020 juin

Archives mensuelles: juin 2020

« Système pyramidal » : endrika fisolokiana malaza

0
Miparitaka ao amin’ny tambazotra tserasera ny système pyramidal amin’izao fotoana izao. Fahazoam-bola miendrika fitaka sy fanambakana na escroquerie izany raha ny fanazavan’ny mpahay lalàna. Voararan’ny lalàna ny fanaovana izany any  am-pitan-dranomasina raha toa ka  mbola tsy misy kosa ny lalàna mifehy izany eto amintsika. 

Fanitsiana rafitra ny Tafika Malagasy : nandray ny Faneva ireo lehiben’ny Etamazaoro

0
Notontosaina androany ny  lanonana ara-miaramila fanolorana faneva ireo lehibe ny etamazaoro ny tafika malagasyn izat tafiditra indrindra ami’ny fanitsina ny rafitsin’ny Tafika Malagasy. Lanonana izay notronin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny lehiben'ny foloalindahy Malagasy. 

Mpisehatra eo amin’ny BTP : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha

0
Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry RAJOELINA notronin'ireo mpikambana avy eo anivon'ny governemanta niaraka tamin' ireo mpisehatra ao anatin'ny BTP.  Vonony ny hifanome tanana amin’ny mpandraharaha ny fitondram-panjakana raha ny nambaran’ny filohampirenena, ary ny orinasa Malagasy no ho lohalaharana amin’ireo tsenabarom-panjakana manomboka izao.

Fitsarana : tsy vahaolana ny fametrahana am-ponja « systématique »

0
Tsy vahaolana ny fametrahana amponja « systématique » hoy ny minisitry ny fitsarana androany teny Faravohitra.  Tokony hametraka mazava ny fomba fiasa ireo mpitsara hoy hatrany izy manoloana ny fahafenoan’ny fonja manerana ny Nosy  amin’izao fotoana izao.

Conseil National de la Vanille : minisitera 9 no hifarimbona hanatsarana ny seha-pihariana

0
Ao anatin’ny fanatsarana ny sehapihariana lavanila, hanomboka ny fiandohan’ny volana jolay ny fivoriambe voalohan’ny CNV na ny CONSEIL NATIONAL DE LA VANILLE izay handrindra ny sehapihariana lavanila. Minisitera 9 no hiara-hifarimbona amin’izany ka hojerena ny hitazonana ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny Vanille Malagasy izay miharatsy ny kalitaony. 

Diloilo Coco : mandeha ny tsena rehefa ririnina

0
Mandeha ny tsenan’ny diloilo coco rehefa vanim-potoanan’ny ririnina raha ny fanadihadiana natao. Mihatsara ny kalitaon’ny coco, tsara ihany koa ny kalitaon’ny menaka azo avy aminy. 

Asa tena : efa miverina tsikelikely ny mpanjifa

0
Efa miverina mitombo tsikelikely ny mpanjifa amin’ireo manao asa tena raha ny fandihadiana natao, hatramin’ny nialana tsikelikely tamin’ny fihibohana.  Na izany aza tsy mbola mitovy amin’ ny teo aloha anefa izay.

Tsenan’ny Arendrina : vitsy ireo mpanjifa

0
Tsy mbola mandeha ny tsenan’ny 26 jona raha ny fanazavan’ireo mpivarotra androany. Tsy nahitana ireo kilalalo avy any ivelany  sy ny tsipopoaka ihany koa ny teny amin’ny tsena tamin’ity fanomanana ny fankalazana ny faha 60 taona niverenan’ny fahaleovan-tena ity.

MATP/SAMVA/CUA/APIPA : nisitraka fiara tsy mataho-dalana amin’ny alalan’ny tetikasa PIAA

0
Nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny SAMVA ary ny APIPA ny firenena frantsay sy ny Vondrona Eropeanina, amin’ny alalan’ny Tetikasa Programme Intégré d’Assainissement d’Antananarivo (PIAA). Natao hanamafisana ny fanaraha-maso ireo asa fanadiovana ny fotodrafitrasa mikasika ny fivoahan-drano eto Antananarivo sy ny manodidina ireo fiara ireo.

Ozinina mpamokatra fanafody : efa tonga androany ireo fitaovana

0
Nigadona teny amin’ny Seranam- piaramanidina  ivato androany ireo fitaovanana nafarana hampiasana  amin’ilay ozinina mpamokatra fanafody. Tsy hijanona kosa ny famokarana ny tambavy covid organics hoy hatrany ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, nandritra ny fitsenana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ireo teny an-toerana.