mercredi 15 mai 2024
Accueil 2020 juin

Archives mensuelles: juin 2020

Toamasina : nanao hetsika fanairana hijerena akaiky azy ireo ny marary

0
Niverina nanao fitakiana fanin-droany androany maraina ireo olona voan'ny Coronavirus tsaboina ao Toamasina. Mitarazoka ny fivoahan'ny valin'ny fitiliana farany izay natao tamin'izy ireo, izay no anton'ny fihetsiketsehana.

Fanorenana tsy ara-dalàna manamorona ny ranon’Ikopa : hiroso amin’ny fanesorana ny tomponandraikitra

0
Ahiana hitera-doza ny fanorenana tsy ara-dalàna maro manamorona ny ranon'Ikopa. Nanambara ny teo anivon’ny DRATP Analamanga sy ny APIPA androany fa tsy maintsy hirosoana ny fanalana ireo trano miorina eny ireo. Androany, nijery ny zava-misy teny Tanjombato mikasika izany ireo  tomponandraikitra samihafa.

Toaka gasy : matanjaka ny tambazotra, ny sarangan’olona rehetra no mpanjifa

0
Matanjaka ny tambazotra ao anatin’ny famokarana sy ny fivarotana Toaka gasy ary ny sarangan’olona rehetra no manjifa izany araka ny fijoroana vavolombelona nataona lehilahy iray izay nisehatra tamin’izany nandritra ny 25 taona nanaiky niresaka tamin’ny mpanao gazety. Efa ela no niandrasana ny ampanarahan-dalàna ity sehatra ity raha ny fanazavany.

Volavolan-dalàna momba ny toaka gasy : andrasana ny fanapahan-kevitr’ireo Loholona

0
Andraikitr’ireo minisitera voakasika amin’ny fiarovana ny fahasalamam-bahoaka sy ny varotra ny fanamafisana ny fepetra sy ny  fanaraha-maso ny fampiharana ny lalàna taorian’ny fahalanian’ilay volovolan-dalàna momba ny toaka gasy teny anivon’ny Antenimierampirenena omaly raha ny fanazavan’ny solombavambahoaka androany.

Mpandraharaha tsy miankina : nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny Iavoloha

0
Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry RAJOELINA notronin'ireo mpikambana avy eo anivon'ny governemanta niaraka tamin' ireo mpandraharaha eo anivon’ny sehatra tsy miankina. Nibahan-toerana nandritra ny fihaonana ny tokony hanalefahana ny hetra tokony ho aloan'ireo mpandraharaha. Hapetrakin'ny fitondram-panjakana hamahana ny olana iainan'ny fandraharahana ankilany ny Plans Multisectoriel d'Urgence na ny Drafitra marolafy hiatrehana ny toekarena

Fanamboaran-dalana : manaraka ireo fepetra ara-pahasalamana avokoa ireo miasa

0
Tahaky ny fanatanterahana fanamboarana fotodrafitrasa sahanin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy any amin’ny faritra maro ; tsy maintsy manaraka ireo fitsipika ara-pahasalamana hisorohana ny fipariahan’ny coronavirus ihany koa ireo manantanteraka asa eto Antananarivo sy ny manodidina. Androany nidina nanara-maso ny fanajan’ny orinasa sy ny mpiasa izany ny DRATP Analamanga. Ankoatra izay  arahi-maso ihany koa ny fanajana ny kalitaon’ny asa anaty fifanarahana.

« Marquage au sol » : manomboka androany ny asa famerenana azy ireny eto andrenivohitra

0
Manomboka androany ny asa famerenana ireo tsipika mandry na ny « marquage au sol »  izay ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Faritra maro no voakasika amin’izany, ka hisy ny fahatampahan-dalana mandritra ny fanatanterahana ny asa. 

LFR 2020 : hatolotra ho lanian’ny Antenimierampirenena ny zoma ho avy izao

0
Atolotra ho lanian’ny Antenimierampirenena eny amin’ny CCI Ivato ny zoma ho avy izao ny LFR na ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020. Ny LFR izay nahitana fiovana betsaka raha mitaha amin’ny LFI noho ny ady atrehin’ny firenena amin’ny fiparitahan’ny CORONAVIRUS sy ny fiantraikan’izany amin’ny fidiram-bola sy ny fahafahana mamokatra.

Lalam-pirenena faha-9 : hanomboka amin’ity taona ity ny asa fanamboarana

0
Hatomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-9, araky ny nambaran’ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy nandritry ny fidinana ifotony notontosainy tany Toliara omaly. Ankoatr’izay efa misy ihany koa ny lamina mikasika ny fanamboarana lalampirenena faha-13.

Volavolan-dalàna momba ny toaka gasy : lany teny amin’ny Antenimierampirenena

0
Lany teny anivon’ny antenimierampirenena ny hariva teo ny volavolan-dalàna momba ny fanamboarana sy famarotana ny toaka Gasy. Ny fanandratana ny maha-malagasy, ny fampidirana ity sehatra ity ho ao anatin’ny ara-dalàna, izay no antony nandaniana izany hoy ireo Solombavambahoaka.