Accueil 2020 septembre

Archives mensuelles: septembre 2020

Fanadinana CEPE : 69% ny taham-pahafana teto Antananarivo renivohitra

0
Tafiakatra 69% ny taham-pahafana nandritra ny fanadinana CEPE teto an-drenivohitra tamin’ity taona ity raha toa ka 67% izany tamin’ny taona lasa. Nihatsara araka izany ny vokam-panandinana CEPE 2020 teto an-drenivohitrana na teo aza ny fisihan’ny Covid-19.

Lalam-pirenena faha-5 : miroso ny asa

0
Tonga nanara-maso ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-5 ny minisitry asa vaventy sy ny fanajariana ny tany omaly. Miroso ny asa araka ny hita tany an-toerana. Namafisin’ireo tomponandraikitra fa manaraka kalitao avokoa ny asa rehetra.

COMMUNE RURALE VOHILAINGO: nahazo baka vaovao

0
Nisitraka baka vaobao avy amin’ny fitondram-panjakana ny tao amin’ny kaominina Vohilaigo, Distrikan'ny Fenoarivo Atsinanana. Etsy ankilany maro ny foto-drafitr'asa hanomboka afaka fotoana fohy araky ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika nandritry ny fandalovany tany an-toerana.

Fanamboarana ampahan-dalana : misy ny lamina momba fifamoivoizana

0
Hanomboka ny fanamboarana ny ampahan-dalana eo anelan’elan’ny Arret 30 Ampasika sy ny 4 chemins. Nisy manoloana ion y lamina hapetraka momba ny fifamoivoizana.

CEPE 2020 : rahampitso no hivaly ny eto Antananarivo renivohitra

0
Cisco maromaro no efa namoaka ny valim-panadinana CEPE androany. Rahampitso kosa ny an’Antananarivo renivohitra.

Nampiana-tena nibaiko alika gasy

0
Fanadihadiana miavaka kely no aranintsika manaraka ity, Raim-pianakaviana iray mipetraka eny Ivato mandray an-tanana ireny alika gasy mirenireny an-dalana ireny I Harijaoana. Taona maro no nanaovany izany ary anisan’ny mampiavaka azy ny fahaizany mibaiko ireo alika gasy hitaingina “moto” .

Loholon’i Madagasikara : hihena ho 18 ny isany

0
Hihena ho 18 ny isan’ireo loholon’i Madagasikara etsy Anosikely amin’ny fotoam-piasana manaraka izao. Io no fantatra taorian’ny nahalany ilay volavolan-dalàna laharana 001-2020. Ahafahana manatanteraka fotodrafitrasa maro ny vola izay tokony ho karaman’ireo loholona amin’izao fampihenana izao raha ny nambaran’ny Solombavambahoaka.

Ampefiloha-Ambodirano : 100 mahery ireo tokantrano tsy nahazo ny sosialim-bahoaka

0
Tokantrano miisa 100 mahery, ao anatin’ny fokontany Ampefiloha-Ambodirano ankehitrinyno mitaraina nohon’ny tsy fisitrahan’izy ireo ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Nambaran’izy ireo fa misy amin’ireo efa nisitraka tosika fameno no mbola nahazony “ticket” mikasika ny sosialim-bahoaka ao antin’ity fokotany ity. Manoloana io, mitaky nymangarahara amin’ny fizarana ny fanampiana izy ireo.

Vohilava Mananjary : nanatanteraka fihetsiketsehana ireo mponina

0
Nopotehin’ireo vahoaka avy amin’ireo fokontany miisa 5 mandrafitra ny kaominina Vohilavaireo fitaovana izay ampiasain’ireo teratany vahiny manao fitrandrahana volamena any an-toerana nandritra ny hfihetsiketsehana omaly. Tsy hanaiky hatramin’ny farany nyhanohizan’ny fitrandrahana ireo vahoaka raha ny fanazavana.

Tsinjo fameno – Cnaps : 35 000 no efa nisoratra anarana hisitraka ny fanampiana

0
Mpiasa avy amin’ny orinasa tsy miankina manodidina ny 35 000 no efa nahafeno ny fepetraka afaka misitraka ilay fanampiana « tsinjo fameno » nambaran’ny filohan’ny repoblika hoyny tomponandraikitra eo anivon’ny Cnaps androany. Ankoatra izay, ny 24% ny vola natokanahanampiana ireo mpiasa no efa nampiasaina tamin’izany.