Accueil 2020 septembre

Archives mensuelles: septembre 2020

Ankatso : may kilan’ny afo ny Bloc Amical 2

0
May omaly alina tokony ho tamin’ny 11 ora ny Bloc Amical 2 honenan’ny mpianatra eny Ankatso. Hatramin’ny 90 % ny fahavoazana araka ny fanadihadiana. Ankoatran’ny entana, may hotohoton’ny afo ny antontan-taratasy fianarana sy ny diplaoma. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny tomponandraikitra ka isany efa nirosoana ny famindran-toerana ny mpianatra niharam-boina.

CUA : « tsinjovina ireo marefo, alaina amin’ireo tokony handoa izany ny hetra »

0
CUA : « tsinjovina ireo marefo, alaina amin’ireo tokony handoa izany ny hetra » Tsinjovina ireo marefo, alaina amin’ireo tokony handoa izany ny hetra hoy ny ben’ny tananan’Antananrivo renivohitra androany. Ankoatra izay, ho vitaina alohan’ny fahatongavan’ny rotsak’orana ny lalana eto Antananarivo renivohitra ary dabam-pako miisa 1 500 no ho tsinjaraina eny anivon’ny Fokontany 192 hatramin’ny faran’ny volana Oktobra ho avy izao. 

Tsarasaotra- Ivato : hesorina ireo fanorenana tsy ara-dalàna manamorona ny lalam-baovao

0
Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra omaly ny fanesorana ireo fanorenana tsy ara-dalàna, tafiditra ao antin’ny “emprise public”, manamorina ny lalam-baovao mampitohy an’I Tsarasaotra-Ivato. Nanatanteraka fidinana teny an-toerana androany ireo tomponandraikitra samy hafa nijery ireo faritra nahitana izany. Nisy ny fampahafantarana ireo tompon’ny fanorenana tsy ara-dalàna mikasika ny dingana amin’ny fanalana azy ireo.

Andry RAJOELINA : tsy maintsy vitaina alohan’ny 26 Jona 2021 ny RN5A

0
Nandritra ny fitsidihana ny RN5A mampitohy an’i Ambilobe sy Vohémar, nanome baiko ireo orinasa ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara hamitana tanteraka ny asa rehetra alohan’ny fetim-pirenena ny 26 Jona 2021.  Hatomboka amin’ity taona ity ihany koa ny fanamboarana ny RN 6.

First Global Challenge : teo amin’ny laharana fahatelo i Madagasikara omaly

0
Tafiakatra eo amin’ny laharana faha-3 ny ekipam-pirenena malagasy Robotika aorian'ny Chili sy Bangladesh ao anatin’ilay fifaninana First Global Challenge. Samy manana isa 74 ireo firenena roa voalohany ireo raha toa 73 ny isa azon’i Madagasikara hatreto. Ao anatin’ny fanantenana ny handrombahana ny laharana voalohana izsika amin’izao fotoana izao hoy ny coach ny ekipa Malagasy.

Antsirabe : maro ireo taratasy sy laharana fiara tsy manara-dalàna

0
Maro ireo endrika tsy fanarahan-dalana  miseho ankehitriny eo amin’ny  fampiasana fiarakodia eo amin’ny taratasy  sy laharan’ny fiara. Hentitra ny avy eo anivon’ny fitsarana fiarakodia manerana an’i Madagasikara mahakasika ireo fiara mitondra ny laharana avy any ivelany tonga eto an-toerana  Betsaka amin’ireny fiara ireny no tsy manara-dalana amin’ny tsy fanaovana visite techinique.

Toamasina : hanomboka ny fanambaoarana fotodrafitr’asa maro

0
Foto-drafitr'asa maromaro no hanomboka ny fanambaoarana azy ao toamasina. Ankoatran'ny lalana , hitohy ihany koa ny famitana ny kianja manara-penitra stadium ao Mangarano.

Fizahantany : niverina nisokatra ny valanjavaboahary ao Andasibe

0
Niverina azo tsidihina ny valanjavaboahary ao Andasibe taorian’ny fikatonana noho ny Covid-19 efa am-bolana maro. Miazakazaka mijery ny valanjavaboahary avokoa na ny malagasy na ny vahiny monina eto amintsika nandritra ny fanadihadiana. Ankilany, hentitra ny fepetra ara-pahasalamana hifehezana ny valan’aretina hoy ny teo anivon’ny MNP.

Mpanakanto : tokony ho hentitra ny fanarahan-dalàna mandritra ny hetsika samihafa

0
Nahatsiaro ho nahazo tombony manokana tamin’ny fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana omaly ny mpanakanto. Zavadehibe ny fahafahana manao fampisehoana na misy aza ny famerena ny isa, indrindra ho an’ny mpanakanto mivelona tanteraka anatin’izay.

Loholon’i Madagasikara : nametraka fitoriana teny anivon’ny HCC

0
Nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana ny antoandro teo ny loholon’i Madagasikara mahakasika ny fomba nandaniana sy ny fanapahan-kevitra noraisaina tamin’ny fandaniana ilay volavolan-dalàna 001-2020. Tsy manara-dalàna hoy izy ireo ny fandaniana sy ny fomba nentina nankatoavana iny volavolan-dalàna iny.