Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Toamasina : ahiana hiverina hirongatra ny Covid-19

0
Ahiana ny mety ho fiverenan’ny fiparitahan’ny Covid-19 ao andrenivohitr’i Betsimisaraka ao amin’izao fotoana izao hoy ireo tomponandraikitra misahana ny fitsaboana. Efa maro amin’ireo olompirenena ao Toamasina ao no tsy manaja intsony ny fepetra sakana maro samihafa isan’ireny ny tsy fanaovana intsony ny arovava orona.

Fiarahamonim-pirenena : mitaky ny mangarahara sy ny tamberinandraikitra

0
Taorian’ny fametraham-panontanian’ny mpitondra tenin’ny governemanta ny amin’ny tena antom-pisian’ny fiaraha-monim-pirenena , namory mpanao gazety io maraina io ny fiarahamonim-pirenena maromaro namerina nanazava ny atao hoe fiarahamonim-pirenena fa indrindra namerina nametraka ireo fitakiana miisa 3 mikasika ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra.

Sendikan’ny mpitsara : tandindonin-doza ny fahefam-pitsarana eto Madagasikara

0
Nampiakam-peo ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara androany, ambaran’izy ireo fa mitsabaka amin’ny raharaham-pitsarana ny fahefana mpanatanteraka ary tsy mampihatra ny didim-pitsarana. Vokatr’io tandindonin-doza ny fahefam-pitsarana raha ny nambaran’ny filohan’ny SMM androany.

Andry RAJOELINA : tsy maintsy mandroso ny distrikan’Antsohihy sy ny faritra Sofia

0
Tsy maintsy mandroso ny distrikan’Antsohihy sy ny faritra Sofia iray manontolo hoy ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fandalovany tao an-toerana. Efa vita ihany koa ny fanaovana « étude de faisabilité approfondie » ireo lalana mampifandray an'Antsohihy sy Bealalana sy ny lalana mampitohy Antsohihy sy Befandriana Avaratra.

PNDU : zava-dehibe ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

0
Notontosaina androany ny fihaonana an-databatra boribory tamin’ny minisietrahn’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy niaraka tamin’ireo sehatra tsy miankina, niresahana ny mikasika ny politikam-panjakana momba ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe. Zava-dehibe ny fiaraha-mientana amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana amin’ny fanatanterahana ny Politique Nationale du Développement Urbain, araka ny nivoitra androany, ary naneho ny fahavononany hanohana izany ireo misehatra amin’ny tsy miankina.

Mpanoratra Malagasy : faha 124 taona nitifirana an’i Rainandriamampandry

0
Feno 124 taona androany ny nitifirana  an’i Rainandriamampandry niaraka tamin’ny Printsy Ratsimamanga teo Antaninarenina. Araka ny  tantara, baiko avy min’ny Gallieni no nampamonoana azy. Misy tsangambato hanamarihana izany toy ny eny Ankadifotsy.

Loi sur l’opposition : hiverina hodinihana eo anatrehan’ireo Loholona

0
Miandry ny fanapahan-kevitra horaisin’ireo Loholon’ny Madagasikara amin’izao fotoana izao ny volavolan-dalàna hifehy ny ny mpanohatra eto Madagasikara. Isany lahadinika ao anatin’ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera izao ny mahakasika izany. Araka izany mitodika eny amin’ny lapan’Anosikely ny mason’ny mpanara-baovao ny amin’ny hoe, holanian’izy ireo izany sa tsia.

HVM : tsy tokony hisy ny fanavakavahana ataon’ny mpitondra

0
Teboka 04 lehibe no noresahan’ny antoko HVM taorian’ny fivoriamben’ny birao nasionaly sy ireo solontena avy any amin’ny faritra androany. Ny tsy fanarahan-dalana ataon’ny mpitondra, ny mahakasika ny Antenimierandoholona, ny raharaha Rolly Mercia ary ny tranga tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny Nosy.

FILAN-KEVITRY NY GOVERNORAM-PARITRA: notontosiana tany Antsohihy androany

0
Notanterahiana tany Antsohihy androany  ny filankevitry ny gouvernora voalohany izay notarihan’ny  filohan’ny repoblika  ny Praiminisitra  sy ireo ministra sasany eo anivon’ny Governemanta ary  ireo governora.  Tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana amin’ny faritra  ireo governora, raha fanazavana.

Ambohimanga Rova : mila fiarovana amin’ny doro tanety

0
Tao anatin'ny iray volana tsy latsaky ny 10 ireo doro tanety niseho tao anatin'ny commune Ambohimanga Rova. Vokany, tanindin-doza ny vakoka iraisam-pirenena ao an-toerana vokatry ny doro ala ataon'ny olona. Nisy ny fihaonana niarahan'ireo tomponandraiktra isantokony mba hanamafisana ny ady atao amin'izay doro tanety izay.