Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

Fanafarana fitaovana amin’ny fampielezankevitra : angidimby 8 no ahanton’ny ACM sy ny HVM

0
Manomboka ny antsojay sy ny sakantsakana ataon’ny fitondrana HVM amin’ny fanafarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampielezankevitra. Angidimby miisa 8 ampiasani’ireo kandida goavana amin’ny fifidianana ho filohampirenena no ahanton’ny ACM. Nisy ihany koa ny didim-panjakana navoakan’ny ministera maromaro avy amin’ny antoko HVM manasarotra ny fampidirana angidim-by ho an’ireo mpifanandrina aminy.

Fampidiran-drano fisotro – Anosibe Zaivola: tsy mifampatoky ny mponina sy ny filoham-pokontany

0
Niteraka fifandirana eo amin'ny fokonolona ao Anosibe Zaivola sy ny filohampokotany ny fanamboarana fantsona hatongavan'ny rano fisotro madio isan-tokatrano noho ny kajikajy ara-bola izay tsy mazava amin'ny mponina.

« Carte grise sy permis biométrique » eto Madagasikara : misafotofoto tanteraka

0
Mifamahofaho tanteraka ny resaka mikasika ny permis sy carte grise biométrique. Taorian’ny filazan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany fa hosoka izy ireny, nitondra fanazavana ihany koa ny avy eo anivon’ny CETIS androany. Tsy hosoka saingy tsy hita manerantany ny karatra fahazoandalana hamiliy novokariny hoy izy ireo. Mipetraka manoloana izany ny fanontanina : Inona ny marina ?

Charte de bonne conduite

0
Manome 24 ora ny CENI sy ny fitondram-panjakana hamerina hanokatra ny lisi-pifidianana ny sasantsasany amin’ireo kandida mirotsaka ho fidiana. Tokony hapetraka mazava ihany koa ny lalàna mifehy ny fitondratenan’ny kandida mandritra ny fifidianana ho antoky ny fangaharahan’ny fifidianana raha ny fanazavana.

Cour des comptes

0
Ny JIRAMA sy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena no tena nahitana ny gaboraraka be indrindra teo amin’ny sehatry ny fitantanambolam-panjakana ny taona 2015 sy 2016. Amina miliara maro no vola tsy fantatra mazava ny nalehany raha ny tatitra navokan'ny Cours des compte na ny Fitsarana momban'ny kaonty ny maraina teo.

Karatra mpanao gazety

0
Nanomboka androany ny fizarana ny karatra maha matianina ho an’ny mpanao gazety. Araka ny nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny holafitry ny mpanao gazety androany, nohon’ny fandaminana vaovao, azo atao ny manao ny fangatahana ahazoana izay karatra maha matianina izay mandavan-taona ho an’ny mpanao gazety na orinasan-tserasera tsy nandefa ny antotataratasy fangatahana.

Suivi permis biométrique sanction

0
Tokony hisy ny fanenjehana araka ny lalàna. Tokony hisy fanasaziana ireo rehetra tompoandraikitra tamin’ny fampanamboarana carte grise sy karatra fahazoandalana biometrika tsy tena biometrika. Izay no nambaran’ny mpitsara sy mpandinika nanaovana fanadihadiana manoloana ny famerenana fanontana indray ny karatra biometrika.

Edito du 29 septambra 2018

0
Mampiavaka izao fitondrana izao ny fahalovana be loatra, ny tsy fanjariana ary ireo raharaha maro tsy mazava, ny tsy fanarahan-dalàna, ny kolikoly avo lenta, ny fivarotan-tanindrazana, ny fitantanan-draharaham-panjakana ananan-kavana. ‘Ndeha tsiahivina anatin’ity matoan-dahatsoratra ity fa tsy moramora akory vao tonga amin’izao fifidianana izao ny firenena.

Zone de recasement

0
Mitohy ny fanotofana tany eny amin'ny zone de recasement Ankorondrano. Nilaza anefa ny teo anivon'ny ministeran'ny fanajariana ny tany fa tsy mbola misy fahazoan-dalana hanototra tany eto Antananarivo renivohitra mandra-pivoaka ny "Schema Directeur d'Assainissement Antananarivo" izay mbola eo am-pamolavolana azy amin'izao fotoana.

Fitrandrahana harena an-dranomasina ataon’ny sinoa: tanidomin-doza ny toekarena an-dranomasina

0
Namoaka fanambarana ny fiarahamonimpirenena misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny harempirenena manoloana ny fisian’ny fifanarahana hitrandrahan’ny sambo sinoa miisa 330 eto amin’ny fari-dranomasina malagasy. Fanambarana izay tsy mankasitraka izany ary milaza fa tandidomin-doza ny toekarena an-dranomasina eto Madagasikara. Takiana ihany koa ny hamoahana ny antsipirihan’ity fifanrahana ity.