dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 mars 2019

SECES : tsy azo ekena intsony ny gaboraraka

0
Nivoitra nandritra ny filan-kevitra nasionaly SECES ny fanambarana ny amin'ny tokony hamahana ny olana eny anivon'ny anjery manontolo, ankoatry ny raharaha anatiny sy ny mikasika ny fanamafisana ny fitakiana izay efa natao. Fanambarana ho fanairana ihany koa ny tomponandraikitra ankehitriny amin'ireo olana ireo.

Fanalan-jaza : mitsangana ny tambazotra mitaky ny fanalalahana izany

0
Mitaky ny fanafoanana ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza ny tambazotra mpiaro ny zon'ny vehivay iray eto Madagasikara. Isany trangana vohoka angatahany izany ny vohoka azo avy amin'ny fanolanana sy ireo vohoka ivelan'ny tranon-jaza. Hisy arofanina tsy maintsy hapetraka kosa ankilany aorian'ny fanatanterahana izany raha ny fanazavana.

Kitay : hiakatra 300 Ariary ny kilao

0
Hiakatra 300 Ariary ny kilaon'ny kitay amin'izao fotoana raha ny fanandihadiana natao tao amin'ny kamominina ambanivohitr'i Ampangabe. Velon-taraina ny mponina any an-toerana manoloana izany. Ny fampivadina ny kitay amin'ny harina fandrehitra no ataon'ny mpivaotra kafe sy mofo manoloana io, ny fitsimponana ireo rotsan-kazo eny an-tsaha kosa ankilany no ataoan'ny isan-tokantrano.

Villa Elisabeth : nandray anjara tamin’ny famarotana i REBOZA Julien, hoy ny BIANCO

0
Olona 4 nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena no nambaran'ny teo anivon'ny Bianco ho isan'ny tomponantoka tamin'ny famarotana ny " Villa Elisabeth", taorian'ny fanadihadiana natao'izy ireo. Isan'izany ny praiminisitra lefitra teo aloha, REBOZA Julien, sy ny tale jeneralin'ny fananantany ny taona 2014. Nalefa eny amin'ny HCJ na ny Haute Cour de Justice ankehitriny ity raharaha ity.