dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 mars 2019

Fanabeazana olompirenena vanona : mbola lavitra ny ezaka

0
Mbola lavitra ny ezaka ho an'i Madagasikara eo amin'ny fanabeazana olompirenena. Maro amin'ireo olompirenena nanaovana fanadihadiana no tsy mahalala ny zo sy ny adidiny ho an'ny tanindrazana.

Fanalamanga : ny drafi-panajariana apetraka no hampaharitra ny ala

0
Ny fahatanterahan’ ny drafi-panajariana ny ala no antoka hampaharitra ny fitantanana sy fitrandrahana ny ala ao amin’ny orinasa fanalamanga. Drafi-panajariana efa natomboka ary vinavinaina ho vita ato anatin’ny 20 taona.

Horonan-tsary malagasy : misongadina eto Afrika

0
Mivoatra ny tontolon’ny horonan-tsary malagasy. Horonan-tsary iray notontosain’ny tanora Malagasy no isan’ireo nahazo ny toerana faharoa tamin’ny Festival FESPACO . Mbola olana ho an’ny mpanantontosa horonan-tsary Malagasy ny tsy fahampian’ny enti-manana sy ny fanjifan’ny Malagasy izany.

Nicolas Dupuis – FMF : tontosa ny fifanaovan-tsonia fifanarahana

0
Tontosa io hariva io ny fifanaovan-tsonia fifanarahana eo amin'ny Nicolas Dupuis, sy ny comité de normalisation. Nohamafisina tamin'ity androany ity araka izany fa i Nicolas Dupuis no mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny CAN 2019 tanterahina any Egypte.