dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 12 mars 2019

Tanin’ny ARTEC mirefy 1,8 ha : nisy nivarotra an-tsokosoko

0
Nisy nivarotra an-tsokosoko ny tanin'ny ARTEC eny Alarobia mirefy 1,8ha araka ny fidinana ifotony nataon'ny minisity ny paositra sy ny fidandraisan-davitra teny an-toerana androany. Hisy ny fandraisana fepetra, ahafahana mamerina ny tany ho an'ny fanjakana raha ny fanazavana.

MENETP : laharam-pahamehana ny fampitombona ny ankizivavy miditra an-tsekoly

0
Atao laharam-pahamehana ho an'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, fampianarana teknika sy fanofanana araka asa ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy vavy. Izay no nivoitra nandritra ny fanamarihana ny andron'ny vehivavy ho an'ity minisitera ity teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha.

OVEC : hifarana rahampitso ny fandraisana ny filatsahan-ko fidiana

0
Rahampitso amin’ny 5ora hariva no hifarana ny fanaterana ny atotan-taratasy filatsahan-ko fidiana ho solombavambahoaka eny amin’ny OVEC. Ny 19 martsa no hamoaka ny lisitr’ireo kandida ny CENI ary ny 22 martsa no vinavinaina hanaovana ny fisarihana ny filaharan’izy ireo anatin’ny bileta tokana.

Fifidianana Solombavambahoaka : misy maika ahazo « immunité parlementaire »

0
Iray andro mialohan'ny fikatonan'ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka, olona voarohirohy amina raharaha maloto teto amin'ny firenena no mikasa hirotsaka ahafahana mahazo "immunité parlementaire".

Fihaonana Andry RAJOELINA – praiminisitra Morisiana : teboka 4 no nisongadina

0
Teboka 4 lehibe no nisongadina nandritra ny fihaonan'ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara sy ny praiminisitra maurisiana androany. Teboka hitondrana fanatsarana amin'ny sehatra samihafa isan'izany ny lafiny indostrialy, fahasalamana, fitaterana an’habakabaka ary ny fampianarana ambony izay hiaraha-miasa amin'izy ireo.