samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 mars 2019

Raharaha 1947 : tsy tompon’antoka ny MDRM

0
Teboka maro no mila ampahafantarina ny Malagasy momba ny raharaha 1947. Santionany ny maha tsy tompon’antoka ny MDRM tamin’ny fipoahan’ny korontana nahafatesan’ireo maherifon’ny firenena hoy ny ILONTSERA. Nanamafy iz ny tahirin-kevitra farany azo tany AIX-EN-PROVENCE any La Frantsa

Fifidianana solombavambahoaka : misy kandidà manana raharaha eny amin’ny HCJ

0
Miantso ny tomponandraikitra isan'ambaratongany mikarakara ny fifidianana solombavambahoaka ny KMF/CNOE andray ny andraikiny. Antony misy amin'ireo kandida no manana raharaha eny anivon'ny fitsarana amin'izao fotoana izao.

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana : fitiavan-tanindrazana marina no ilaina.

0
Nahafoy ny ainy ho an'ny fitiavan-tanindrazana ireo havantsika maty ny taona 1947. Enga anie tsy ho diso fahavalo isika amin'izao fotoana ka ny samy Malagasy no hifamono sy hifanenjika. Io no hafatra lehibe nampitain'ny Mpitandrina flohan'ny FJKM ho an'ny Malagasy nandritra ny vavaka iraisam-pinoana natao teny amin'ny Katedraly FJKM Analakely androany.

Maroantsetra : maro ireo ankizy voan’ny kitrotro

0
Manodidina ny 200 mahery ny zaza voan’ny aretrina kitrotro any amin'ny distrikan'i Maroantsetra. Ny tsy fahavitana vaksiny no antony nampirongatra ity valan’aretina ity tany antoerana eo ihany koa ny tsy fahazotoan'ny ray aman-dreny manao vakisiny ny zanany.

Edito du 24 mars 2019

0
Roa volana izay no lasa nandraisan’izao fitondrana izao fahefana. Mihazakazaka ny zava-drehetra. Tsy misy andraso andraso ny asa fanarenam-pirenena. Fanamby rahateo ny hoe enim-bolana hanaovana tombana, herintaona hifampitsarana. Mazava ho azy tsy misy toerana ho an’ny tsy afaka ny raharaha, fa avela hanao izay « competent », hoy ny fiteny amin’izao fotoan’ny hazakazaka hanarenam-pirenena izao.

Slalom 2ème édition Wynn’s : nanomboka androany

0
Notontosaina teny amin'ny circuit TMF Ivato nanomboka tamin'ity androany ity ny Slalom 2ème édition Wynn’s. Niisa 27 ireo mpanamory nandry ny fiaingana ary hitohy rahampitso ny hetsika

Taom-baovao Malagasy : hankalazaina ny 04 hatramin’ny 07 Aprily ho avy izao.

0
Mandritra ny 4 andro no hankalazana ny tamo-baovao Malagasy amin'ity taona ity ary hentsika maro samihafa no ho hita mandritra izany. Ny taom-baovao Malagasy izay nanana ny anjara toerany teo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ary tsy mijanona amin'ny maha fomba sy kolontsaina azy fotsiny ihany.

Vary mora : natomboka androany ny fizarana tao Toamasina.

0
Natomboka androany ny fizarana ny vary mora tao Toamasina araka ny fandaharam-potoana efa napetraka. Miisa 22 ny Point de vente nahafahan'ny mponina nividy izany tamin'ny 1000 Ariary ny kilao. Nanamafy hatrany ny solotenan'ny governemanta tonga tany an-toerana fa ho hentitra ny fanaraha-maso amin'ireo mikasa hanodina izany.

Fakàna an-keriny Tsaratanàna : olona 1 maty

0
2 andro taorian’ny famoahana ny lisitra ofisialin’ireo kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka, kandidà iray any Tsaratanàna no fantatra fa maty novonoin’ny mpaka an-keriny. Mbola mitohy ny fanadihadiana .

Hetsika fampandriana fahalemana : miaramila iray no lavon’ny bala

0
5 andro taorian'ny fandefasana andiana miaramila any amin'ny faritra avaratra andrefan'ny Nosy, nafana ny fifandonana teo amin’izy ireo sy ny dahalo. Vokatr'izany, mpitandro ny filaminana iray maty lavon'ny bala, dahalo 30 voasambotra.