dimanche 19 mai 2024

Archives mensuelles: mai 2019

« Rallye Motul » andiany faharoa : nifarana androany

0
Niditra tamin'ny andro fahatelo sady farany ny Rallye Motul 2 eme edition. Epreuve Special miisa 5 no notontosaina tamin'ity androany ity. Masindray ka hatrany Ankadianadriana no lalana tamin'izany.

Fifandraisana ara-barotra Canada-Madagasikara: malalaka ny tsena

0
Malalaka tanteraka ny tsena azon’i Madgasikara sitrahana eo amin’ny tsena Kanadiana. Ny haben’ny famokarana sy ny kalitao vokarin’ireo mpandraharaha eto amintsika kosa no tokony hatsaraina. Mahatratra hatramin’ny 5 tapitrisa dolara ny tsena tokony ho azon’i Madagasikara.

Biletà tokana : nisy ireo tsy maintsy naverina natonta

0
Biletà tokana tamina Disitrika miisa 6 no tsy maintsy naverina natonta tany Afrika Atsimo noho ny tsy fanarahan’ireo kandidà ny toro-marika napetraky ny CENI. Ho entitra ihany koa ny CENI amin’ny tsy fanarahana ny toro-marika apetrany amin’ny fifidianana rehetra mbola ho avy, hialana amin’ny fitomboan’ny fandaniana aterak’izany.

KOLO TV Antsirabe : nampita ny fandaharana nanomboka omaly.

0
Efa azon’ireo mponina any Antsirabe sitrahana avokoa ireo fandaharana vokarin’ny KOLO TV eto Antananarivo. Afaka mampita ny vaovao na ihany koa miditra amin’ny antso an-tariby mivantana ireo olona any an-toerana amin’ny alalan’ny onjam-peo izay tarihan’ireo mpanentana avy any an-toerana.

« Rallye Motul » andiany faharoa : nanomboka androany

0
Tontolon'ny fanatanjahantena, nanomboka tamin'ity androany ity ny andiany faharoa amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara eo amin'ny Rallye izay karakarain'ny Club FMMSAM. Tao amin'ny kaominina Masindray nihazo an'Anjeva no lalana tamin'izany.

Andrefan’Ambohijanahary : misy mamefy ny lalam-bahoaka

0
Tokantrano 6 etsy Tanimenabe Andrefan’Ambohijanahary no tsy manana lalana ahafahana mivoaka sy miditra ny toeram-ponenana. Notapenan’ny tompon’ny tany mifanila azy ireo ny lalana afahana mifamezivezy tafiditra anatin’ny « servitude de passage » raha ny fitarainana.

Fitsinjaram-pahefana : maro ny ezaka vita

0
Nihatsara ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana teto Madagasikara. Lafin-javatra maro ankilany no mbola mila jerena hirosoana amin’ny fitsinjaram-pahefana teny izy. Isan’izany ny fampifanarahana ny tantsoroka ara-bola omena, amin’ny isan’ny mponina sy ny harena ara-toekarena ary sosialy ao aminy.

Drépanocytose : toe-batana fa tsy aretina

0
Malagasy 10% no manana toe-batana mitondra ny drépanocytose na Faingosela raha ny vinavina amin’izao fotoana izao. Dia eny mbola kely dia tokony hanao fitsirihina ny tsirairay hahitana raha manana toe-batana misy Faingosela na tsia ny rehetra, raha ny fanazavana noentin’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana.

“Puce Electronique” : napetraka tamin’ny fomba ofisialy tany Tsiroanomandidy

0
Tafiditra ao anatin'ny velirano nataon'ny filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara ny ady amin'ny tsy fandriam-pahalemana indrindra fa ny ady amin'ny halatr'omby. Natomboka androany tany Tsiroanomandidy ny fametrahana ny "Puce Electronique amin'ny omby entina hiadiana amin'ny asan-dahalo

Ankaramane: rongony 700Kg tratra

0
Olona telo no voatazon’ny zandary tao Ankaramena hanaovana fnaadihadiana omaly maraina. Izy ireo izay voarohirohy amina trafikana rongony ilanja 700Kg nafenina tanaty fiarabe mpitatitra solika na citerne.