Accueil 2019 juin

Archives mensuelles: juin 2019

Fanamboaran-dàlana Androndra sy sampanana Andranonahoatra : miroso ny asa

0
Araka ny efa notanterina teto amin'ny fampalalam-baovao, ary tafiditra anatin'ny fanamboaran-dalana eto Andrenivohitra, ho tapahana anatin'ny fotoana fohy ny lalana eo amin'ny sampanana Andranonahoatra. Amin'izao fotoana izao, efa miroso ny fanatsarana ny sisin-dalana ireo manao ny fanamboarana

Filohan’ny Repoblika : nitsidika ny kermesin’ny foloalindahy

0
Tonga nitsidika ny kermesin'ny foloalindahy teny Betongolo ny filohan'ny repoblikan'ny Madagasikara androany. Nambarany fa tsy ho foana intsony ny tahak' izao ary hoatsaraina hatrany.

Slalom – 2019 : hotanterahana ny faha-29 sy 30 jona izao

0
Hotanterahana eny BEVALALA ny faha-29 sy 30 ny volana jona izao ny andiany faha-3 ny SLALOM iarahana amin’ny CLUB MSA na ny Club Mada Sport Auto. Tafiditra ao anatin’ny 4ème manche ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ny taona 2019 izany, hoy ny mpikarakara.

« Loi sur le recouvrement des avoirs illicites » : ho laniana tsy ho ela

0
Tsy maintsy miroso amin'ny fandaniana ny "lalàna momba ny fanagiazana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna" na ny Loi sur le recouvrement des avoirs illicites ny fitondram-panjakana. Ny fametrahana tany tan-dalàna, lavitry ny kolikoly no tanjona.

Vehivavy Malagasy Miara-Miainga : nanatanteraka didim-poitra faobe

0
Notanterahina androany teny amin'ny centre de santé MAMINDRA Ankadindratombo ny andiany faharoa amin'ny didipoitra faobe nokarakarain'ny fikambanan'ny Vehivavy Malagasy Miara-Miainga. Hetsika fanao isan-taona izay tafiditra indrindra ao anaty fankalazana ny fetim-pirenena.

Solontenam-panjakana sy vadina minisitra : nanampy ny sembana sy marary

0
Mitohy ny fanohanana sy fanampiana ataon’ny vadin’ny mpikambana eo anivon’ny governemanta tarihin’ny vadin’ny Praiminisitra ireo sokajin’olona marefo eny anivon’ny fiarahamonina. Ireo zaza manana fahasembanana teny anivon’ny Orchidée Blanche sy ireo marary eny Befelatanana androany no nisitraka ny fanomezana.

Antananarivo Renivohitra : nohatevenina ny isan’ny mpitandro filaminana

0
Amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovan-tena izao, nohatevenina ny fiambenana sy ny fiarovana ny tanàna na andro na alina. Halina, nisy ny fidinana ifotony nataon'ireo minisitra tomponandraikitra nijery ny fomba fiasa, ny olana mety hitranga sy ny fanatsarana tokony hatao.

Tetikasa Fokontany filamatra : nanombohana izany ny eny Andranomahery

0
Efa miroso tanteraka ny tetikasa Fokontany filamatra izay tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika ho fanatsarana ny endriky ny fokontany sy fametrahana ireo fotodrafitrasa fototra ilain’ny mponina ao amin’ireny fokontany ireny.

Indostria eto Madagasikara : azo tratrarina ny tanjona

0
Tsara ny vokatra andrasan'ireo mpisehatra amin'ny indostria eto Madagasikara ato anatin'ny volana vitsy araka ny tatitra tamin'ny alalan'ny Baromètre de l'industrialisation de Madagascar andiany faha-3 navoakan’ny Alliance pour l’industrialisation durable androany. Mifandray amin'ny fampivoarana ny indostria ny politikam-panjakana raha ny fanazavana. Teboka maro ankilany no mbola tokony ho jerena ahafahana manatratra ny tanjona.

Fidinan’ny vidin-tsolika : maro ny tombony

0
Fitadiavam-bahaolana hamahana ny fidangan’ny vidim-piainana no andikana ny fampidinana ny vidi-tsolika araka ny fifanarahan’ny mpandraharaha sy ny filohan’ny repoblika. Ny fandraisana fepetra tsy hisian’ny fiakara-bidy tampoka no andrasana, hoy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa.