Archives quotidiennes: 5 novembre 2019
Fandoroana ala eto Madagasikara : nitombo 60% ireo faritra ahitana afo
Tsy mitsaha-mitombo ny faritra ahitana afo na points de feux eto Madagasikara tao anatin’ny 3 volana izay. Raha ny fanazavana, isany olana lehibe tsy ahafahana mifehy izany hatreto ny fanabeazana ny olom-pirenena.
Fivoriam-ben’ny ONUDI: nisitraka 35 tapitrisa dolara i Madagasikara
Nanantontosa fanaovan-tsonia famatsiana mitentina 35 tapitrisa dolara, entina hampandrosoana ny Indostria i Madagasikara, nandritry ny andiany faha-18 ny fivoriamben’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny indostria tontosaina any Abu Dhabi. Namafisin’ny Filohampirenena Malagasy nandritra io fa tsy maintsy miainga amin’ny Indostria ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
UNESCO : nametraka masoivoho hanabe olompirenena
Tanora 22 no nofantenan’ny UNESCO ho masoivohon’ny fanabeazana olompirenena eto Madagasikara. Aorian’ny fampiofanana hatao, hanampy sy handray anjara amin’ny famolavolana ny politika ho fanatsarana ny fanabeazana olompirenena isaky ny faritra niaviany izy ireo.