samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 novembre 2019

Filohan’ny Fifa : hihaona amin’ny Filohampirenena Malagasy rahampitso eny Iavoloha

0
Ho tonga eto Madagasikara ary hihaona amin’ny filohampirenena Andry Rajoelina eny amin’ny lapam-panjakan Iavoloha rahampitso ny filohan’ny Fifa. Isan’ny horesahan’ny roa tonta ny fanatsarana ireo foto-drafitr’asa eto Madagasikara, hivoaran’ny fanatanjahantena Malagasy.

Fanadiovana lakan-drano : tsy hita ny andraikitra raisin’ny Kaominina sy ny Fokontany

0
Mivangongo ny fako ary manentsina ny lakan-drano eto Antananarivo. Toa ny tranga ao amin’ny Fokontany Anatihazo Isotry, am-bolana maro tsy nandray ny andraikiny ny kaominina sy ny fokontany, maimbo ny tanàna hoy ireo mponina, mihanaka ny aretina.

Tetezan’i Mangoky : nambaran’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana

0
Navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao amin’ny tranokalany omaly fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenena ny fifanarahana famatsiam-bola ny fanamboarana ny tetezan’i Mangoky eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny BADEA na ny Banque Arabe pour le Développement Economique en Afrique.