samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 novembre 2019

RABARIJOHN Henri : voatendry ho Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara

0
Voatendry ho Governoran'ny Banky foiben'i Madagasikara i RABARIJOHN Henri, araky ny filankevitry ny minisitra omaly. Manana traikefa betsaka amin'ny fitantanam-bola ny tenany, raha ny sehatr'asa nolalovany no jerena.

Filankevitry ny minisitra : naato aloha ny tetikasa momba ny Base Toliara

0
Naato ny tetikasa sy ny serasera manodidina ny Base Toliara ary mitohy ny fifampidinihana momba izany. Etsy ankilany, hatsangana ny orinasa SPM hiandraikitra ny fanafarana sy ny famatsiana ny entana ilain'ny mponina, entina hamehezana ny vidin'ny entana ilaina amin'ny andavanandro. Ankoatr'io, neken'ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena ny PEM na ny drafi-pivoaran'i Madakasikara. Teboka nivoitra ireo tamin'ny Filankevitry ny minisitra omaly.

B’Tax Milay : nahazo fanomezana ireo nanaja bokin’andraikitra

0
Entina hankasitrahana ireo taxi be, manaja ny bokin'andraikitra indrindra eto Antananarivo, misy ny fanomezana fankasitrahana isam-bolana ataon'ny eo anivon'ny ministera tomponandraikitra, anatin'ny ilay hoe " B'Tax Milay. Androany no nampahafantarina ny mpitatitra mendrika indrindra ny volana oktobdra teo, tamin'ireo mivondrona ao amin'ny rafitry ny GPS tec Company. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ny mpitatitra.

CSM : nivory niaraka tamin’ny Filohampirenena androany

0
Nivory niaraka tamin’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra androany ireo mpikambana eo anivon’ny Conseil Superieur de la Magistrature. Nivoitra nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta ny famerenana ny hasin’ny fitsarana eto Madagasikara

Mpianatra EPP sy CEG Anosibe : notoloran’ny fitondram-panjakana fitaovam-pianarana

0
Tao amin’ny EPP sy CEG Anosibe ny filohampirenena Andry Rajoelina sy ireo delegasiona niaraka taminy tamin’ity androany ity. Tamin’izany no nizarana ireo fitaovana entina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianara eto Madagasikara toa ny rakibolana, tablette sy fitaovam-pianarana maro hoan’ny mpianatra malagasy araka ny programan’ny fitondram-panjakana.