dimanche 28 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 novembre 2019

Fahatapahan-jiro : miteraka fatiantoka be ho an’ny mpanjifa

0
Miteraka fatiantoka ho an’ireo miasa miankina amin’ny fisian’ny Herinaratra ny fahatapahan-jiro sy rano matetika eto Antananarivo. Hatrany amin’ny tambazotran-tserasera, ka hatreny anivon’ny fiarahamonina, miantso fandraisan’andriaikitra avy amin’ireo tomponandraikitra ny mponina manoloana io.

Drafi-panajariana ny tanàna : nanomboka androany ny atrikasa

0
Notontosaina androany ary hifarana rahampitso ny atrikasa hanombohana ny famolavolana ny drafi-panajariana amin’ny antsipirihany ho an’ny faritra miisa 4 eto Antananarivo. Entina hanatsarana ny mikasika ny fihitaran’ny tanàna no tanjona amin’izany.

ANAC Ambohitsirohitra : sehatra ho an’ny kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy

0
Natomboka tamin’ity androany ity ny asa fanamboarana ny « Académie Nationale des Arts et de la Culture » eny Ambohitsirohitra ambany. Tetikasan’ny Filohampirenena ho fampivoarana ny kolontsaina sy ny zava-kanto Malagasy ny ANAC, ary foto-drafitr’asa ho lovain’ny taranaka no hajoro hoy ny filoha Andry Rajoelina.

Fahatapahan-jiro, tsy fahampian’ny rano : handray fepetra entitra ny Filohampirenena

0
Handray fepetra entitra ny Filohampirenena, hamahana ny olan’ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahan’ny herinaretra eto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy ekena ny fampihainana ny malagasy ao anatin’ny aizina ka hoentina ny vahaolana hoy ny filoha androany teny Ambohitsirohitra.