mercredi 22 mai 2024
Accueil 2019

Archives annuelles: 2019

Fampandrosoana an’i Madagasikara : tetikasa maro no hotanterahina

0
Mitohy ny asa fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobeny. Isan'izany ny famerenana amin'ny tanjany ny zotran-dalamby mampitohy an'I Manakara sy Fianarantsoa na ny FCE. Lokomotiva 2 no ho tonga hanampy ny misy amin'izao fotoana hoy ny Filohan'ny Repoblika nandritry ny fandalovany tao Fianarantsoa.

Fanodikodinana fananam-panjakana : voatonona indray ny Antenimierandoholona

0
Nalefan’ny Bianco any amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny (PAC) tamin’ity faran’ny herinandro ity ny raharaha fanodikodinana fananam-panjakana any amin’ny Distrikan’i Soanierana Ivongo tamin’ny volana jona 2017. Filoha lefitry ny Antenimierandoholona sy « Préfet » teo aloha no voarohirohy amin’izany.

HCC : noeken’ny HCC ny fomba hifidianana sy fanendrena vaovao Loholona

0
Nakatoavin’ny HCC io takariva io fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny didy hitsivolana laharana 2019-006 nataon’ny Filohan’ny Repoblika Malagasy manova ny fomba fanendrena sy ny fomba fiasan’ny Antenimerandoholona.

Kolo TV/fm – Antsirabe : fandaharana maro no hatolotra ho an’ny mpankafy

0
Mandeha miandalana ny fampitana ny fandaharana samihafa vokarin’ny Kolo TV/ fm any Antsirabe. Isany efa mamokatra fandaharaha avy any an-toerana ny onjam-peon’ny kolo fm 88.8. Manampy izany ny fandaharana maro avy aty an-drenivohitra izay natokana ho an’ny rehetra.

MAHTP : nanatanteraka tagnamaro indray androany

0
Nanantanteraka Asa tagnamaro ny teo anivon'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy androany. Fanadiovana faobe no notontosaina tamin'izany.

Fampielezan-kevitra : tapitra rahampitso amin’ny 12 ora alina

0
Hifarana rahampitso amin'ny 12 ora alina ny fotonan'ny fampielezankevitra. Amin'ny endrika telo samihafa ny bileta tokona ampiasaiana izay miankina amin'ny isan'ny mpilatsaka ho fidiana ao anatin'ny fari-piadidiana raha toa ka amin'ny endrika roa no hanehoan'ny mpifidy ny safidiny. Afaka mametraka fitoriana ireo kandidà manerana ny Nosy raha misy ny ahiahy sy tsy fanarahan-dalàna.

Tanim-panjakana-Ivato : misy manorina foto-drafitr’asa

0
Misy foto-drafitr'asa miorina eo amin'ny tanim-panjakana ao Ivato amin'izao fotoana izao. Tany izay ilain’ny fanjakana ankehitriny hanorenana fotodrafitrasa iombonana. Tsy hita mazava ny fandraisan'andraikitry ny kaominina Ivato manoloana izany, na eo aza ny fanapahana navoakan'ny fanjakana mampiato ireo fanorenana rehetra.

Permis biométrique vaovao : nivoaka androany

0
Nivoaka androany ny permis Biometrique vaovao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, sy manaraka ny hiaka farany. Maimaipoana ny fisitrahana izany ho an'ireo izay efa nanana ny permis biometrique teo aloha. Etsy ankilany, hisy ny lamina hapetraka amin'ny fizarana izany, hisoroana ny filaharana.

Governemanta Malagasy : manatona ny vahoaka

0
Mitohy ny fidinana ifotony ataon'ny Filohan'ny Repoblika miaraka amin'ny mpikambana ao amin’ny governemanta entina hijerena ny olan'ny mponina sy hamaliana izany. Omaly, nanatona ny vahoaka tao Morondava ny Filoha. Nisy ny fahamahana olana maro tany an-toerana.

Kolikoly : tsy fisian’ny finiavana ara-politika no lesoka

0
Ireo olom-boafidy no maro an'isa tamin'ireo nalaina am-bavany teo anivon'ny Bianco araka ny tatitra ny taona 2018, nivoaka androany. Lesoka amin'ny ady amin'ny kolikoly ny tsy fisian'ny finiavana ara-politika raha ny fanazavana, eo ihany koa ny tsy fahampian'ny olona sy ny fitaovana. Misy ny paik'ady manokana hotontosaina ato antin'ny 5 taona .