mercredi 01 mai 2024
Accueil 2020 juillet

Archives mensuelles: juillet 2020

Coronavirus : manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fitiliana ao amin’ny « IPM »

0
Manodidina ny 133 500 Ariary ny saran’ny fanaovana ny  fitiliana  ny valan’aretina Coronavirus ao amin’ny Institut pasteur de Madagascar raha ny angom-baovao natao andronay. Tsy manao fitiliana sigana mivantana kosa ny eo anivon’ny Centre d’infectiologie Charles Mérieux.  Efa misy ihany koa amin’izao fotroana izao orinasa tsy miankina mivarotra test TDR amin’ireo orinasa izay manana  « structure médicale »  ka 54.000 Ariary ny iray amin’izany. 

COVID-19 : miankina amin’ny soritr’aretina ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana

0
Ny fisehon’ny valan’aretina amin’ny marary no handraisan’ny Centre Médical Covid-19 Andohatapenaka ny fanapaha-kevitra amin’ny fitsaboana. Ny marary anatin’ny fahasarotana no tazonina eny an-toerana ary afaka hanaovana ny fitsaboana araha-maso na ny Essai clinique. Ny marary tsy ahitana soritr’aretina goavana no afaka tsaboina any an-trano, hoy ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Isany mampitaraina ny maro hatrany ankilany ny fiandrasana ny valin’ny fitiliana izay mitarazoka tsy araka ny fanamby napetraka.

GEM sy FIVMPAMA : mangataka ny hanatontosana fitiliana faobe

0
Mangataka ny hanaovan’ny fitondram-panjakana fitiliana faobe eny anivon’ny orinasa tsirairay ny Groupement des Entreprises de Madagascar sy ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy. Efa nampiozina ny fepetra fiverenana amin’ny fihibohana tanteraka nohon’ny fitombon’ny isan’ ireo tratry ny Covid-19 Madagasikara hoy izy ireo. Manoloana izany anefa, angatahan’ny mpandraharaha ny hananganana kaomisiona hijery vahaolana ho an’ny orinasa tsy miankina.

CCO Faritra Analamanga : natsangana androany, hifehezana ny valan’aretina Covid-19

0
Natsangana androany ny CCO eto amin’ny faritra Analamanga ahafahana manafaingana ny fandraisan’andraikitra manoloana ny fipariahan’ny valan’aretina Cororonavirus. Marolafy ireo mivondrona eo anivon’ny CCO Faritra ary mipariaka manerana ny Fokontany.

Tafika anabakabaka : 19 ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory manaraka fiofanana

0
Miroso amin’ny fiofanana ara-tekinika sy fampiharana ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory fiaramanidina handrafitra ny tafika malagasy amin’izao fotoana izao. Miisa 19 ireo mpianatra manamboninahitra mpanamory manaraka fiofanana tekinika eny ivato , ary 1 amin’izy ireo no vehivavy. Ampy tsara hoy ireo mpampiofana ny fitaovana hanaovana ny fiofanana.

PME : mavesatra ho azy ireo ny fihibohana tanteraka

0
Maro amin’ireo orinasa madinika sy salatsalany no niroso avy hatrany tamin’ny fandefasana ny mpiasa ho Chômage technique sy partielle taorian’ny fepetra fiverenana anatin’ny fihibohana mandritry ny 15 andro nanomboka androany. Antony, miverina ny fatiantoka sy ny vesatra vokatry ny fihibohana ho azy ireo. Raha ny fanazavana, tokony vahaolana miatraika mivantana amin’ny mpandraharaha no raisin’ny fitondram-panjakana.

Fampianarana : efa nahavita ny fandaharam-pianarana ny kilasim-panadinana

0
Efa vita ny fandaharam-pianarana ho an’ny kilasim-panadinana maro araka ny fanadihadiana natao, na izany teny anivon’ny sekolim-panjakana na ny tsy miankiana. Efa niroso tamin’ny famerenana ny mpianatra andro herinandro lasa izay. Na misy arak’izany ny fiatoan’ny fampianarana anatin’ny 15 andro, nambaran’ny tomponandraikitry ny sekoly fa afaka miatrika tsara ny fanadinam-panjakana ny mpianatra saingy ilaina ny fanamafisana ny famerenana.

Ady amin’ny Covid-19 : zava-dehibe ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana

0
Hipoka avokoa ny Hopitaly mandray an-tanana ny mararin’ny COVID-19 eto Antananarivo sy ny manodidina. Vitsy ankilany ny mpiasan’ny fahasalamana misahana ny marary hatramin’ny androany. Eo ihany koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana. Isany fitarainana nambaran’ny filohan’ny sendikan’ny PARAMED eto Madagasikara ireo. Ilaina manoloana io ny fahamailona sy ny fitandreman’ny rehetra, indrindra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana.

Ady amin’ny coronavirus : ny fifanomezan-tanana no ilaina

0
Fotoana ilana fifanomezan-tanana sy hanambarana ny hery ny vanim-potoantsarotra lalovan’ny firenena amin’izao fotoana izao eo anatrehan’ny ady ato ami’ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus raha ny nambaran’ireo mpandalina politika. Tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny intsony iza raha ny fanazavana.

Tafika Malagasy : hanampy amin’ny fampihaana ny fihibohana

0
Miaramila miisa 500 avy amin’ny tafika Malagasy no ahetsika manombka anio alina ho fampiharana ireo fepetra rehetra hiadiana amin’ny valan’aretrina Coronavirus. Ankoatra izay hirotsaka antsehatra amin’ny fampanajana ny fihibohana ihany ko aizy ireo.