Accueil 2020 juillet

Archives mensuelles: juillet 2020

Toamasina : nihena ny isan’ireo olona voan’ny Coronavirus

0
Miha-vitsy ny isan'ny olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina coronavirus any Toamasina amin'izao fotoana izao raha oharina tamin'ny volana Mai sy ny fiandohan'ny volana Jona raha ny tarehimarika ofisialy avy eo anivon’ny CCO Covid-19. Na eo aza izany ilaina hatrany ny fanamafisana ny fiarovan-tena indrindra fa ny fanarahana ny toromarika rehetra raha ny nambaran’ireo tomponandraikitra.

Toamasina : jiolahy miisa 5 no saron’ny mpitandro filaminana

0
Jiolahy miisa 5 indray no saron’ny polisy avy amin’ny FIP ao Toamasina anroany, ireto jiolahy ireto izay mpampihorohor sy mpamaky trano eny anivon’ny fokontany. Mandry tsy lavo loha ireo mponina ao toamasina amin’izao fotoana izao manolaoana ny tsy fandriam-pahalemana lkava reny any an-toerana.

Taratasy famindram-panànana avy amin’ny fandovàna fahafatesana : tsy andoavam-bola ny fikarakarana

0
Fepetra tafiditra anatin’ny vahaolana eo amin’ny sehatra sosialy eto amin’ny firenena manoloana Covid-19, tapaka nandritry ny filan-kevitry ny minisitra ny 24 jona 2020 teo fa tsy handoavam-bola hatramin’ny 31 desambra 2020, ny fikarakarana taratasy momba ny famindrana ny fanànan-tany avy amin’ny fandovàna, tsy hisy ihany koa ny fampiharana sazy amin’ny fikarakarana fanoràtana na famindrana fanànan-tany hatramin’io daty io.

Toamasina : nitokona ireo mpitondra « Taxi brousse »

0
Niverina nitokona indray indray mpitatitra rezionaly miasa ao Toamasina androany teny Tanambao faha 5. Antony raha ny fanazavana ny fangatahan’izy ireo ny hanokafana ny zotra rezionaly ao anatin’ny faritra. Rahampitso nampanantena ny hanome valinteny ireto mpitatitra ireo ny eo anivon’ny faritra Atsinanana raha ny zava-nisy androany.

Code de nationalité Malagasy : lany nasiam-panitsiana teny amin’ny Antenimierandoholona

0
Nankatoavin'ireo Loholona androany teny Anosikely ny tolo-dalàna manovana ny ampahany amin'ireo lalàna mamaritra ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy. Ny fanovana ny ampahany amin'ity lalàna ity izay manan-danja lehibe mba hamongorana ny fanavakavahana amin'ny lafiny maro. Ho alefa eny anivon’ny Antenimierampirenena araka izany ity tolo-dalàna ity.

CENTRE MEDICAL COVID-19 : nanomboka niasa avy hatrany

0
Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny CENTRE MEDICAL COVID-19 nataon’ny Filohan’ny Repoblika, nanomboka nandray olona avy hatrany ny ivon-toerana.  Anjatony ny olona tonga teny an-toerana ka nahatonga ny filaharana lavareny. Ankoatra ireo nampiseho ny soritr’aretina momba ny Covid-19, olona hijery ny toe-pahasalamany  manoloana ny fitombon’ny tranga ny ankamaroany.

CENTRE MEDICAL COVID-19 : hatomboka ny fanaovana « Essai clinique »

0
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny CENTRE MEDICAL COVID-19 eo amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Ankoatry ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana ireo mila fitiliana sy fitsaboana momba ny Covid-19, hisahana avy hatrany ny fanaovana ESSAI CLINIQUE voalohany eto Madagasikara ny CENTRE MEDICAL COVID-19  hoy ny filohan’ny Repoblika androany.

Teny Malagasy : misy ny ezaka azo tsapahin-tanana

0
Mbola maro ireo teny malagasy izay tsy voarakitra ao amin’ny rakibolana malagasy,  eo ihany koa ny tsy fifehezan’ny maro ny teny malagasy indrindra ireo aty an-drenivohitra. Raha ny tsikaritra efa miverina tsikelikely ihany  na lanjan’ny teny Malagasy eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.  

LFR 2020 : lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona

0
Lany nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierandoholona androany ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020. Ny mahakasika ny REINSERTION BUDGETAIRE na ny fanoratana ny ampaham-bola tokony hositrahan’ny Loholona eo anivon’ity andripanjakana ity avy hatrany no nitondran’izy ireo fanitsiana.

PHARMALAGASY : hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany

0
Hivoaka afaka iray volana ny famokarana voalohany tontosain’ny Pharmalagasy,  araky ny nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA nandritry fidinana teny amin’ity  ozinina hanao ny famokarana fanafody eto Madagasikara toy ny Cvo + ity  androany. Etsy ankilany, nambaran’ny Filoha fa efa mande amin’izao fotoana izao ny andrana clinique na ny (essaie clinique) in Vivo sy in vitro amin’ny gélule cvo +, mialohan’ny hanatontosana ny andrana amin’ny olombelona.