Archives mensuelles: juillet 2020
Madagasikara : hapetraka ny « Plateforme Huiles Essentielles »
Tontosa androany ny fihaonana teo amin'ny Ministera sy ireo orinasa miisa 55 mpikambana ao amin'ny GEHEM manerana an'i Madagasikara. Fihaonana izay tafiditra ao anatin'ny fametrahana rindran-damina vaovao entin'ny Ministera hanatanterahana ny vinan'ny Filohampirenena : "Madagasikara maitso".
« Borne fontaine » : ho 20 Ariary ny vidin’ny rano 20 litatra amin’ireo boriboritany 6
Tontosa androany ny fampafatarana amin’ny foba ofisialy ny tetik’asa Avotr’Aina , izay fiarahamiasa ny Kaominina Antananarivo renivohitra, ny ministera ny rano sy ny UNICEF. Ao anatiny 3 volana ho avy, 20 ariary ny vidin’ny rano 20 litatra na 1 bidon eny amin’ireo fotodrafitrasa mamatsy rano ho an’ny daholobe na ireo atao hoe « borne fontaine » amin’ny boritany 6 eto Antananarivo.
BENAIVO Andrianaly Narcisse : izy no hisolotena ireo Solombavambahoaka eny amin’ny CENI
BENAIVO Andrianaly Narcisse no nosafidin’ireo Solombavambahoaka hisolotena azy ireo eny anivon’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana CENI, araka ny fifidianana notanterahin’ireo Solombavambahoaka androany teny amin’ny fivoriana ara-potoana. Hisolo ny toeran’ny filoha lefitry ny CENI avy hatrany izy ary hanapitra ny fepotoam-piasana hatramin'ny volana oktobra 2021. Na teo aza ny fifanolanana nisy teo amin’ny fanatanterahana ny fifidianana mahakasika ny fanatanterahana ny « Vote par procuration » ho an’ireo Solombavamlbahoaka tsy tonga, nizotra ampilaminana ny fifidianana.