Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Antoko Malagasy Miara-Miainga : nanolotra kandida Loholona teto Antananarivo

0
Tafapetraka androany teny amin’ny Ovec Nanisana ny taratasy firon-tsahan-kofidian’ny kandida ho loholon’i Madagasikara avy amin’ny Antoko Malagasy Miara- Miainga, ka i RAKOTONDRAINIBE Michel no lohalisitra amin’izany. Laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy hoy ity kandida ity.

Andry RAJOELINA : hafainganina ny fametrahana ny faritra faha 23

0
Hafainganina hoy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fametrahana ny faritra faha 23 ao Mananjary. Araka izany, ho dinihina ao anaty filankevitry ny minisitra ny alarobia ho avy izao ny volavolan-dalàna mahakasika izany ka hatolotra ny Antenimiera.

SOAVINA : rongony maina 20 kitapo no nodorana

0
Rongony maina 20 gony no nodorana teo anatrehan'ny mpitandro filaminana sy ny teo anivon'ny solontenan'ny fitsarana androany maraina teo anivon'ny Commissariat de Police – Soavina, Distrikan'Atsimondrano. Ireto rongony ireto izay tra-tehaky ny polisim-pirenena Soavina sy ny Andrimasom-pokonolona ny herinandro lasa teo.

Fifidianana loholona : androany vao nanatitra antotan-taratasy ny teto Antananarivo

0
Tafapetraka androany ny firotsahan-kofidian'ny lisitra kandidà ho loholon'ny Madagasikara eto amin'ny faritanin'Antananarivo natolotry ny vovonana IRD. Herminana RAZANAMAHEFA no mitarika ny lisitra, kandidà faharoa kosa ny I Sylvain RABETSAROANA, loholona teo aloha.

Fifidianana loholona : mitaky fahamatoran’ny mpifidy vaventy

0
Tokony samy hampiseho ny fifanajana sy ny fahamatorana avokoa ireo olobe rehetra voakasika amin’ny fifidianana izay ho loholon’i Madagasikara hoy ny teo anivon’ny CFM. Tokony hiseho ihany koa ny fahamatorana ary ny fanajana ny fahamarinana.

Valiha : manandratra avo ny kolontsaina Malagasy

0
Zava-maneno isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ny valiha. Maro ny karazany ary samy manana ny mampiavaka azy ny isam-paritra na misy aza ny iraisany. Karazany iray amin’izany ny valiha marovany, avy any Atsinanan’i Madagasikara izay velomin’ny tarika BERTHON Valiha ankehitriny.

Fidirana mpianatra ho Zandary : takiana ny fanana ny diplaoma “ Baccalauréat ”

0
Takiana ny fanana ny diplaoma “ Baccalauréat” ho an’ireo maniry ny hiditra ho mpianatra zandary ankehitriny raha ny nambaran’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Natao izany, ho fanatsarana ny fampianarana eo anivon’ny sekolin’ny zandarimaria. Eo ihany koa ny ahafahana mampiakatra ny fahaizamanaon’ireo mpianatra ho zandary.

Eco-village : mitondra fampivoarana eny amin’ny tontolo Ambanivohitra

0
Anisan’ireo nitondra tombotsoa sy fampandrosoana ho an’ ireo tantsaha ao amin’ny faritra Vakinankaratra ny fananana ny Eco village indrindra fa eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompina ary fampianara ireo zaza eny ambanivolo .

Antsirabe : mandalo fotoan-tsarotra ihany koa ireo mpanao asa tanana

0
Raim-pianakavina iray nisehatra teo amin’ny fanamboarana Objet miniature nandritra 30 taona Avy ao Antsirabe renivohitra no hiaraka amintsika amin’ity anio ity . Araky ny fanadihadina natao, mandalo fotoana-tsarotra ankehitriny mpanao asa Tanana vita Malagasy.

TanambaoV -Toamasina : olona 1 maty nandritran’ny lozam-pivamohivoizana

0
Vehivavy 1 no maty ary miisa 8 ireo naratra mafy, nandritra ny lozam-pivamoivona niseho manoloana ny gare routière Tanambao 5, Toamasina androany. Raha ny fanadihadiana tany an-toerana, fiara nandeha mafy nentina mpamily nisotro toaka no niteraka ity lozam-pivamohivozana ity.