vendredi 10 mai 2024
Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

FHORM : “ ilaina ny fivondronan’ny mpisehatra ahitana vahaolana maharitra “

0
Ilain’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoanana sy trano fisotroana ny mivondrona ahafahan’izy ireo mivondrona amin’ny firesahana amin’ny fitondram-panjakana. Indrindra ao anatin’izao fotoana entina manarina ny seha-piharian’izy ireo izao. Izay raha ny fanazavan’ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny FHORM androany.

PNDU : entina hampandrosoana ny tanàn-dehibe

0
2 miliara dolara eo no ilaina ho an’ny programme miompana amin’ny fampivoarana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara, ny PNDU na ny Politique Nationale de Développement Urbain, izay tontosaina mandritra ny 10 taona. Ilaina raha ny fanazavana ny fampiharana ity programme ity ho an’ny fampandrosoana. Hisy manoloana io ny hetsika fampahafantarana izany.

Lalana : hatao avo 02 heny ny vola homena ireo governora manao tsara ny asany

0
Hatao avo 02 heny ny vola homena ireo governoran’ny faritra amin’ny fanamboarana lalana raha manao tsara ny asany, hoy ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, nandritra ny fitsidihana ny fanamboarana ny lalana Pavé tao Faradofay. Fifaninana no atao ary tokana ihany ny tanjona dia ny hampandroso an’i Madagasikara araka ny efa nampanantenainy.

Barea de Madagascar : miatrika fampivondronana any Luxembourg

0
Nanomboka omaly ny fampivondronana ho an’ny ekipan’i Barea de Madagascar any Luxembourg hanomanana ny lalao fihaonana amin’ny Cote d’Ivoire. Mpilalao miisa dimy vaovao izay vao nantsoin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis no hosedraina ao anatin’izany.

Antenimierandoholona : mety tsy hiatrika ny fivoriana ara-potoana manaraka

0
Tsy handeha araka ny tokony ho izy ny fivoriana ara-potoana hotontosain’ny antenimierandoholona afaka herinandro vitsy noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny vola fampandehanan-draharaha raha ny nambaran’ireo loholona androany. Efa nisy ny fanantonana ny minisitera tomponandraikitra saingy tsy nisy valiny raha ny fanazavana.

VMMM : nivarotra fitaovam-pianarana tamin’ny vidiny mirary teny Soamanandray

0
Teny amin’ny kaominina Tsiafahy, fokontany Soamanandray indray androany no nanatanterahan’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Tanjon’ny hetsika ny hanalefahana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fampidirana mpianatra izao, hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny VMMM.

Fitrandrahana tsy ara-dalàna : miantso ny fitsarana handray ny andraikiny ny AVG

0
Mirongatra hatrany ny fandripahana ala tsy ara-dalàna sy ny doro-tanety anaty sy ivelan’ny valanjavaboahary eto Madagasikara. Isany tena lasibatra ny ao Ankarafantsika sy Ambatondrazaka. Tsy mifanaraka amin’izay ankilany ny fampiharan-dalàna hoy ny teo anivon’ny ALLIANCE VOARY GASY ka antony hanaovany antso avo, indrindra amin’ny miniteran’ny fitsarana.

Fanaovana kolikoly : mpikambana eo anivon’ny governemanta iray no voasaringotra

0
Antontan-taratasy miisa 40 maha voasaringotra tomponandraiki-panjakana ho nanao kolikoly no nalefan'ny teo anivon'ny Bianco eny anivon'ny fitsarana amin'izao fotoana izao. Mpikambana eo anivon'ny governemanta ny iray tamin'ireo. Ireo raharaha ireo izay teo anelanelan'ny volana Aprily sy volana Jona lasa teo.

Fitaterana : nanomboka androany ny “opération taxi-moto” teto an-drenivohitra

0
Nanatanteraka hetsika hiadiana amin’ny “taxi-moto” sy ireo “taxi clandestin” mitatitra olona an-tsokosoko eto an-drenivohitra ny kaominina Antananarivo sy ny Comité stratégique. Hamongorana ny sehatra tsy ara-dalàna no tanjona sy anton’izao fanadiona izao raha ny fanazavana.

Tombana ara-tontolo iainana : hatsaraina ny fomba fanatanterahana azy

0
Hatsaraina ny fomba fanaovana ny tombana ara-tontolo iainana eto Madagasikara. Izay ny votoatin’ny atrikasa Niarahan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny USAID HAY TAO. Isany hojerena manokana ny ACCEPTABILITE SOCIALE na ny faneken’ny fiarahamonina ny tetikasa na fitrandrahana amin’ny sehatra maro tsy ahatongavana amin’ny disadisa na olana isantokony.