samedi 27 avril 2024
Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Fifidianana loholona : 02 hatreto no nametraka antotan-taratasy manerana ny Nosy

0
02 hatreto no kandida ho loholon’i Madagasikara nametraka ny antotan-taratasy teny anivon’ny Ovec raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Ceni Foibe androany. Mety hiteraka olana ho an’ireo kandidà ny fiandrasana ny andro farany raha misy tsy tomombana ireo antotan-taratasy raha ny fanazavana hatrany

Mpiasam-panjakana : homena « prime na promotion » izay mazoto hiasa amin’ireo toerana lavitra

0
Homena prime na promotion ireo mpiasam-panjakana manolo-tena hiasa amin'ireo toerana lavitr'andriana hoy ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara. Ankoatr'izay, homena trano fonenana manaraka ny toetrandro izy ireo hahafahany manara-baovao sy mamita tsara an-tsakany sy an-davany ny asany. Tanjona ny hampandroso ny firenena amin'ny fanjakana manakaiky vahoaka.

RN44 : mizotra araky ny tokony ho izy ny asa fanamboarana

0
25% ny asa fanamboarana amin’ny RN44 Marovoay (Moramanga ) mankany Amboasary no  vita ankehitriny. Raha toa ka nisy  fotoana niato ny asa nohon’ny Covid-19, amin’izao fotoana izao, efa mizotra araky ny tokony ho izy izany ary tsy hiato intsony rana ny fanazavana.

Fanaovana « Phoning » : afaka manao amin’izay ny haino vaky jery rehetra

0
Malalaka amin’ny fanaovana Phoning na ny fanehoan-kevitra amin’ny alalan’ny antso an-taribia manomboka izao amin’ireo haino aman-jery rehetra erak’i Madagasikara raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny sersera mpisolo toerana androany. Na izany, mbola mampita ny vaovao mahakasika ny tarehimarika momban’ny COVID-19 avokoa ny haino vaky jery tsirairay avy.

VMMM : nivarotra fitaovam-pianarana tamin’ny vidiny mirary teny Ambohimanambola

0
Teny amin’ny kaominina Ambohimanambola androany no nanatanterahan’ny Fikambanana Vehivavy Malagasy Miara-Miainga ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary. Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanalefahana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’izao fampidirana mpianatra izao hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny VMMM.

BNGRC : efa nampoizina ny kere any atsimon’ny Nosy

0
Efa nampoizina ny hisian’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny kere any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara raha ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny BNGRC saingy nitombo avo roa heny ny isann’y voakasika anton’ny zava-misy ankehitriny.

Faradofay : notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Centre Vonjy

0
Mihamahazo vahana ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo ao Taolagnaro ary mihena hatrany ny salan-taona iharan'izany amin'izao fotoana. Tsy ekena intsony ny fisian'izany ary ho hentitra ny sazy ho an'ireo izay tratra hoy ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara, nandritra ny fitokanana tamin'ny fomba ofisialy ny centre vonjy natao handraisana ireo niharan'ny herisetra ao an-toerana.

Fampianarana : an-dalana ny fanafoanana ny fanadinana CEPE

0
An-dalana ny fanafoanana ny fanadinana CEPE ho an’ny kilasy faha-5 ary eo am-pamolavolana sy fanatsarana ny rafitra vaovao hoy ankehitriny ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny  « session de rattrapage » ho an’ireo izay nisondrotra kilasy amin’ny taom-pianarana manaraka.

Lazaina Anosy Avaratra : lehilahy iray nisy nandratra, lasan’ireo olon-dratsy ny karamany

0
Lehilahy iray mpiasan’ny fahasalamana no nisy nidaroka teny Lazaina Anosy Avaratra ny Sabotsy alina lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy nandritra izany ny vola rehetra teny aminy. Tsy mbola nisy hatreto ny voasambotra manoloana ity tranga ity na fantatra aza ny nanatanteraka izany.

Tombana isaky ny governora : tsy mbola nisy hatreto

0
Herintaona tamin’ny 25 Septambra ny fe-potoana nomen’ny filohan’ny repoblika hanantanterahana ny tombana isaky ny governora izay voatendry tamin’ny andiany voalohany. Mifototra betsaka amin’ny asa vita nisy fiantraikany tamin’ny vahoaka amin’ny ankapobeny izay tombana izay.