dimanche 28 avril 2024
Accueil 2020 octobre

Archives mensuelles: octobre 2020

Tahan-doton’ny rivotra eto Antananarivo : tafiakatra 80 µg / m3

0
Vokatry ny doro tanety sy ny fahaloton’ny rivotra diso tafahoatra ny fisian’ny setroka sy ny fiakaran’ny hafanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo raha ny fanazavana azo teny anivon’ny sampana mpikaroka momban’ny toetr’andro androany. Tafiakatra hatramin’ny 80 microgrammes /m3  ny tahan-doton’ny rivotra eto an-drenivohitra amin’izao raha toa ka tsy tokony ihoatra ny 25 µg / m3  ny fenitra napetraky ny Organisation Mondiale de la Santé.

“ Pois Mange-tout” : manondrana izany betsaka I Madagasikara

0
Maro ireo tantsaha ao amin’ny Kaominina Ambano distrikan’Antsirabe faharoa no mamokatra legioma “ Pois  Mange-tout”.   Ary Tantsaha manodidina ny 100 mahery no miara miasa amina  orinasa izay mandray ny vokatra any an-toerana ka manondrana izany any ivelany.

Aorian’ny fahamehana ara-pahasalamana : misy ireo misafidy ny hiala sasatra

0
Fiverenana amin’ny fiainana andavan’andro sy ny fandehanana miala sasatra, ireo no mahaliana ny maro ho  atao rehefa tapitra ny fahamehana ara-pahasalamana, araka ny fanadihadiana notontosain’ny Agence capsule sy ny Kolotv. Amin’izao fotoana izao, manomboka mitombo tsikelikely ireo mpiala-sasatra mandeha amin’ny zotra nasionaly.

Sambava : tsy manaiky afindra ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Ambodisatrana

0
Nidina an-dalambe ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ambodisatrana ho fanoherana ny fanapakevitra izay noraisain’ny ben’ny tanàna amin’ny famindrana azy ireo.  Nanamafy kosa ny ben’ny tananan’ny Kaominina  ambanivohitra Sambava fa tsy maintsy ampiharina ny lalàna.

Tongolo gasy : nihena hatramin’ny 50 % ny vokatra ho an’ny kaominina

0
FiaferanaNihena ny vokatra tongolo gasy tao amin’ny kaominina Ambanivohitry Fiaferana tao anatin’ny 5 taona farany. Niharatsy ihany koa ny kalitao vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro hoy ny mpamboly. Nihitatra ny fotoana ihainan’ny tantsaha ny maitso ahitra manoloana io noho ny tsy fahafahana mamadika ny vokatra ho vola araka ny tokony ho izy.

Ambatondrazaka : miisa 2 ireo tanàna notafihan’ny andian-jiolahy

0
Mahazo vahana hatrany any amin’ny faritr’Ambatondrazaka ankehitriny ny tsy fandriam-pahalemana. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, miisa 2 ireo tanàna lasibatr’ireo olon-dratsy mirongo fitaovam-piadiana. Mihorohoro araka izany ireo mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana mateti-pitranga any an-toerana.

Halatra Tuc-Tuc any Toamasina : efa misy ny vokatra voaray

0
Manomboka ahitam-bokany ny fiaraha-miasan'ny mpitandro ny filaminana sy ny mpikirakira tuctuc ao Toamasina amin’izao fotoana izao. Tuctuc halatra iray no sarona omaly ariva tao ambolomadinika. Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny famongorana ireo mpanao ratsy raha ny fanazavana.

Ankizy milomano eo Andohatapenaka : maro ny loza mitranga

0
Mitombo isa ireo ankizy milomano etsy Andohatapenaka manamorona ny lalam-baovao amin’izao vanim-potoana mampahafana ny andro izao. Matetika hitrangana loza anefa eny an-toerana raha ny filazan’ireo mpivarotra eny amin’ny manodidina ka hanairana ny tomponandraikitra rehetra.

Madagasikara: nanolotra soson-kevitra entina miatrika ny vokatry ny Covid-19

0
Nandray fitenenana nandritry ny fivoriana avo lenta momba ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana maharitra hatramin’ny taona 2030 amin’izao vanim-potoanan’ny Covid-19 izao ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Fivoriana niarahana tamin’ireo filoham-panjakana , lehiben’ny governemanta ary ny solontenan’ny vondrona iraisam-pirenena , ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena. Ho fintinina aminao ao anatin’ny fanadihadiana manaraka ny antsipirihin’izay.

Air Madagascar : tsy mahazo mitondra olona intsony ny sidina Antananarivo – Paris

0
Tsy mahazo mitondra olona mandritry ny fotoana tsy voafetra ny sidina ataon’i Air Madagascar mampitohy an’Antananarivo amin’I Paris manomboka androany 28 Septambra 2020. Raha ny fampitam-baovao navoakan’ny masoivohon’I Frantsa eto Madagasikara, ny tsy fifandanjana eo amin’ny sidina fampodiana tanterahin’ny kaompania Air France sy Air Madagascar no anton’izany.