Archives quotidiennes: 8 avril 2021

Toamasina : ahiana hirongatra indray ny valan’aretina Covid-19

0
Ahiana hirongatra indray ny  Covid-19 ao Toamasina ankehitriny vokatry ny tsy fampiharana ireo fepetra sakana maro samihafa entina hisorohana ny fiparitahan’ny vanal’aretina. Ankilany, tsy ampy ny Oxygène hitsaboana ny marary ka voatery mividy any ivelany ireo mpitondra marary.

COVID-19 : hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 Alarobia

0
Ho fandraisana an-tanana ireo mararin’ny COVID-19, hisokatra manomboka rahampitso ny CTC-19 eny amin’ny Lycée Technique Alarobia. Ny ivon-toerana eny Alarobia izay handray an-tanana ireo antsoina hoe « formes modérées » izany hoe ireo manomboka mihasempotra ka heverin’ireo mpitsabo fa afaka  hampiasaina ireo « concentrateurs d’oxygène » tahaka ny eny Mahamasina.

Politikam-pampandrosoana : tsy mbola mipaka mivantana amin’ny tanora

0
Tsy mbola tena mipaka mivantana amin’ny tanora ny politikam-pampandrosoana sy ireo programan’asa entina hampandrosoana ny tanora eto amintsika hoy ny teo anivon’ny Observatoire de la Jeuneuse araka ny tatitra nataon’izy ireo androany. Tokony hanova ny politika ho an’ny tanora isika eto Madagasikara raha tiana ny hisy fampandrosoana.

Rocade d’Iarivo : vinavivaina hisokatra amin’ny volana jona 2021

0
Ny farany volana jona no vinavinaina ho afaka ampiasaina  ny fanamboaran-dalana Rocade avaratra Atsinanana sy Atsinanana, izay mirefy 8,2km . Androany nijery ny  fizotry ny asa fanamboaran-dalana  ny   Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa Vaventy, ny masoivoho ny Frantsa monina eto Madagasikara  ary ireo mpiara-miombon’antoka maro namatsy vola ny tetikasa.