Accueil 2022 juin

Archives mensuelles: juin 2022

Raharaha QMM : tokony hafainganina ny valin’ny fanadihadiana hoy ireo olom-boafidy

0
Tsy mbola fantatra mandraka androany ny valin’ny fanadihadiana mahakasika ny nahafaty ireo trondro vokatry ny fahalotoan’ny rano ka tsy nahafan’ireo mpanjono niasa ao Taolagnaro ao, izay disadisa eo amin’ny vahoaka sy ny orinasa QMM hoy ireo olom-boafidy any an-toerana. Takian’izy ireo ny hijerevana indray ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa QMM mba tsy hampitaintaina ny vahoaka.

Royaume-Uni : hankalaza ny faha-96 taona sy ny faha-70 taona naha mpanjaka an’i Elisabeth II

0
Isan’ny hankalaza ny faha 96 Taona sy ny faha 70 taona naha mpanjakan’ny Angletera an’i Elisabeth II ihany koa ny Masoivohon’ny Royaume-Uni eto Madagasikara ny 2 hatramin’ny faha 5 ny volana Jona. Fotoana hanehoana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Royaume-Uni, hoy ny masoivoho izay monina sy miasa eto amintsika.

Antenimierampirenena : tafapetraka ny « commission d’enquête sur la filière or »

0
Mampametra-panontaniana hoy ireo Solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly ariva ny tsy hahafantarana ireo tena tompon’antoka amin’ny fanondranana volamena avy eto Madagasikara mankany ivelany ary ny antony tsy mbola maha voasambotra azy ireo. Io no teboka nivoatra nandritra ny fampijoroana ilay vaomiera manokana hisahana ny « Enquête sur la filière or » eto amintsika, izay ivondronan’ireo Solombavambahoaka miisa 15 avy amin’ny vondrona marosamihafa misy eny Tsimbazaza.

Fikaonandoham-pirenena : tsy voatery hatao hoy ny teo anivon’ny CFM

0
Tsy voatery hananteraka ny fikaonandoham-pirenena tahaka ny efa mahazatra isika eto Madaghasikara vao hahay hifampiresaka sy hifandamina hoy ny filohan’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy CFM androany nandritra ny fanokafana ny fotoampivoriana ara-potoan’izy ireo. Zava-dehibe ihany koa ny firosoana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ity raha ny fanazavana.

Taolagnaro : saron’ny Zandary ireo mpaka an-keriny zaza Varira

0
Olona 04 no saron’ny Zandary niaraka tamin’ilay zaza varira nalaina an-keriny tao Emalio, Kaominina Manambaro, Taolagnaro. Taorian’ny fifampitifirana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo mpaka an-keriny, lavon’ny balan’ny zandary ny iray, ny faharoa voasambo-belona ary ny 02 hafa tafatsoaka ary mbola karohina hatramin’izao.

PAT retraité : tsy nisitraka fisotroan-dronono efa ho 2 taona izao

0
Mbola tsy nisitraka ireo fisotron-dronona hatramin’izao ireo PAT izay nivoaka retirety teny amin’ny oniversité an’antananarivo nanomboka tamin’ny taona 2020. Mangataka fijerena akaiky mikasika fanonerana ireo fisotron-dronono ireo ireto mpandraraha ny oniversité nivoaka retirety ireto ka nanao hetsika fanairana ho amin’ny androany.

Banky iraisam-pirenena : mora andairan’ny kolikoly ny « recrutement » an’ireo mpampianatra

0
Misy lesoka goavana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ka nampihena ny vokatra tao anatin’ny 10 taona izay hoy ny Banky iraisam-pirenena nandritry ny tatitra izay nataony. Marefo ary mora andairan’ny kolikoly ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana ka miteraka voka-dratsy eo amin’ny faharisihan’ireo mpampianatra sy ny fari-pahaizan’ny mpianatra Malagasy.

Didipoitra Faobe : nitohy tao amin’ny kaominina Miadanandriana ny hetsika tanterahin’ny antoko MMM

0
Zaza miisa 45 tao amin’ny kaominina Miadanandriana distrikan’i Manjakandriana androany no nisitraka ny hetsika ara-tsosialy didipoitra faobe notanterahin’ny avy eo anivon’ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Tanjona ny fanampiana sy ny fitsinjovana ny mponina manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.

Antananarivo : mirongatra ny fandraisana zava-mahadomelina antsoina hoe « rôrô »

0
Miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina ankehitriny, ary mirongatra ny fandraisana zava-mahadomelina antsoina hoe « Rôrô » eto Antananarivo renivohitra. Mirongatra vokatr’izay ny tsy fandriampahalemana toy ny halatra sy ny vaky trano ary ny fanolanana, noho izy raisina in-5 isan’andro amin’ny vidiny 5000 Ariary.

Toekarena Nomerika : hiara-hiasa ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy

0
Hiara-hiasa ankehitriny ny fanjakana Malagasy sy ny Arab Federation for Digital Economy ho an’ny fampiroboroboana sy ny fampivelarana ny toekarena nomerika eto Madagasikara raha ny nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena SEAMLESS MIDDLE EAST 2022 notanterahina tany Dubai androany. Isan’ny tanjona kendrena amin’izany ny hametrahana ny tanàna vaovao Tanamasoandro ho "smart city" manana fotodrafitrasa nomerika avo lenta hoy ny filoha.