This Week Trends
Un appel au dialogue entre tous les acteurs de la vie publique afin de trouver des solutions à la base pour développer le pays. C’est ce que le mouvement Mitsangana ry Malagasy et tous les partis regroupés au sein...
Vola mitentina 120 lavitrisa Ariary indray androany no natokan’ny banky mpiara miombon’antoka amin’ny fitondram-panjakana hamatsiana ny tetikasa Fihariana. Hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny fananaterahana ny tetikasa ny fanohanana toy izao.
Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny fampiasana ny lalampirenena faha-44 raha toa ka nisy fahatapahana izany, teo anelanelan'i Ranofotsy sy Ambohimena noho ny fisian’ny rotsak’orana nisesy ny Alahady sy Alatsinainy teo tany en-toerana....
Hot Stuff Coming
Fanarenana ny fefiloha : efa manomboka ny asa ny eo anivon’ny APIPA
Efa miroso amin’ny fanaraha-maso sy fanarenana ireo fefiloha hiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra ny eo anivon’ny APIPA ankehitriny. Androany ny fefiloha teo Andranoabo no nasiam-panarenana. Mitohy ihany ankilany ireo asa fanadiovana lakan’drano izay andraikitry ny APIPA na eo aza ady atao amin’ny valan’aretina covid-19.
Fanaovana hosoka amin’ny fadin-tseranana: voatonona indray i Mbola Rajaonah
Orinasa maro an’I Mbola Rajaonah, mpanolotsaina manokan’ny filohampirenena teo aloha Rajaonarimampianina, no voasaringotra amin’ny resaka hosoka amin’ny fadintseranana. Manamafy ny ahiahy ireo lanjan’ny entana afarana izay hita ho mihoa-papana raha ny fanazavana.
Haino aman-jery tsy manara-dalàna : handraisana fepetra
Handraisan'ny eo anivon'ny minisiteran'ny serasera sy ny kolontsaina fepetra avokoa ireo haino aman-jery tsy manara-dalàna araka ny nambaran'ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy androany. Hisy mialohan'izay raha ny fanazavana ny fanomezana fe-potoana hahafahan'ireo tompona haino aman-jery voakasika, hampanara-dalàna ny atonta-taratasiny.
Madagasikara : mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika
Efa miseho eto Madagasikara avokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro vokatry ny ataon’ny olombelona. Mahazo vahana ny toetr’andro mahery vaika raha ny fanazavana. Ankoatry ny fambolen-kazo izay vahaolana lavitr’ezaka, misy ihany koa ireo fihetsika madinika ahafahana mampihena ny fiantraikan’izany