Archives quotidiennes: 17 octobre 2017

Profesora ZAFY Albert : Omaly ny fanaovam-beloma azy teto Antananarivo

0
Tontosa omaly maraina ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana fanaovam-beloma farany ny filoha teo aloha Profesora Albert Zafy, ho an'ny teto Antananarivo renivohitra. Nanainga hiazo an'Antsiranana ny vatana mangatsikany omaly tolak'andro. Ny asabotsy izao no ho tanterahina ny fandevenana any Betsiaky, Distrikan'Ambilobe.  

Fivoriana faha-2 ny Antenimiera : Hanomboka androany

0
Hanomboka androany ny fivoriana faharoan'ny Antenimiera roa tonta. Fotoam-pivoriana izay handinihina manokana ny teti-bola 2018 araka ny Lalàmpanorenana.