Archives quotidiennes: 31 octobre 2017

CRN : « Mpivarotra tanindrazana ny fitondrana ankehitriny »

0
Omaly, naneho ny heviny mikasika ny raharaha falmarotana ny tany misy ny Villa Elisabeth ny CRN na ny Conseil pour la Réconciliation Nationale. Ireto farany izay mpiara miasa akaiky tamin'ny filoha teo aloha Zafy Albert. Ny fitondrana ankehitriny no nivarotra ny villa elisabeth raha ny fanambaran'izy ireo. Hitondra ny raharaha eny anivon'ny BIANCO izy ireo ary hitondra izany ihany koa amin'ny alalan'ny madaraid. .

Vidim-bary – Taolagnaro : 600 ariary ny iray kapoaka

0
Mpamongady iray ihany no mamatsy vary ao Tolagnaro nanomboka ny faran'ny herinandro teo raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana . Niakatra ho 600ariary ny kapoaka ny vary vokatr'io. Miantso ny fandraisan'andraikitry ny fitondram-panjakana ireo mponina manoloana izany.